Namoaka fanambarana ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, mitondra ny datin'ny omaly 21 mey 2020, fankalazana ny Niakaran'i Jesoa Kristy any an-danitra. Mamaky izany fanambarana izany Son Excellence Monseigneur Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'i Miarinarivo, Sekretera Jeneralin'ny Finvondronamben'ny Eveka eto Madagasikara...

0 : 00

Ry vahoaka malagasy tsivakivolo,
Ry kristianina havana,

“Ho aminareo anie ny Fiadanana!” (Jo 20, 19)

Io Tenin’i Jesoa Kristy tafatsangan-ko velona, niseho tamin’ny mpianatra nihidy tao an-trano noho ny tahotra io, no entinay hiarahabana anareo sy hitsidihanay ny tokantranonareo tsirairay amin’izao fotoan-pitsapana lalovantsika, mbola miady amin’ny ny valan’aretina Covid-19 izao.

Noho ny toe-java-misy iaraha-mahalala dia tsy afaka nanatanteraka ny fivoriana fanao amin’ny volana mey toy izao izahay Eveka nefa kosa tsy mahasakana anay hifandray aminareo amin’ny alalan’izao hafatra alefanay izao, izany.

Nanapa-kevitra koa izahay, fa tsy ho tanterahina amin’ity taona 2020 ity ny fankalazana ny Kôngresy Eokaristika nasiônaly sy faha-100 taonan’ny FET, saika hatao any Antsiranana amin’ny volana aogositra sy ny Fihaonamben’ny ankizy (JNE) saika hatao any Fianarantsoa amin’ny volana septambra.

Tao anatin’ny fotoanan’ny Karemy sy ny fankalazana ny Paka tokoa no nitrangan’ity valan’aretina tsy hita maso ity ka nanohina ny fiainan’ny olombelona rehetra na ara-nofo izany na ara-panahy. Nasehon’ity valan’aretina ity tokoa ny maha-marefo antsika olombelona sy ny fetrantsika ka tsy misy afa-bela na ireo firenena matanjaka na ireo mbola eo andalam-pivoarana. Tsapa anefa fa nampitodika antsika tamin’ilay Andriamanitra Mpahary, niandohana sy hiafarana, ka na tsy afaka niara-nankalaza Azy tany am-piangonana aza isika, indrindra tamin’ny fotoanan’ny Paka izay manan-danja tokoa amin’ny finoana kristianina dia naneho kosa ny hetahetantsika lalina hivavaka bebe kokoa sy hitoky amin’ny herin’Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

Isaorana ny Papa Ray Masina Fransoa naneho hatrany ny maha Ray aman-dreny mpampiombona, nanentana ny olombelona rehetra maneran-tany, na inona na inona finoany, hitodika amin’Andriamanitra sy hiombom-peo hivavaka handresena ny valan’aretina ary maneho mandrakariva koa ny maha-akaiky azy amin’ny teny fankaherezana sesilany sy fihetsika mitory fitiavana sy fanantenana, narahintsika tamin’ny haino aman-jery sy ny tambazotran-tserasera sosialy.

“Matokia, efa nandresy an’izao tonto izao Aho!” (Jo 16, 33)

Tsapa fa miezaka tokoa ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filoham-pirenena sy ny Governemanta, ampian’ny ny ekipan’ny CCO, ny mpitandro filaminana sy ireo olom-boafidy isan’ambaratongany mitady ny fomba rehetra hifehezana ny fiparitahan’ny valan’aretina sy hiarovana ny ain’ny ny mpiray tanindrazana. Ankasitrahana ny ezaka vita sy mbola atao ary mankahery anareo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sarotra tsy azo ihodivirana nefa miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka.

Misaotra amin’ny finiavana lehibe asehonareo mpitsabo sy mpisehatra rehetra amin’ny fahasalamam-bahoaka manerana ny nosy izay mampiseho finiavana lehibe ary manao vy very ny ainy amin’ny fanatonana sy fikarakarana ireo marary. Mankahery sy mivavaka ho anareo izahay mba hanana herim-po sy handresy ny tahotra, eo am-panaovana ny asanareo amim-pitandremana fatratra. Mankahery sy mamporisika ny mpikaroka amin’ny ezaka atao hampiasa ny fanomezana nomen’Andriamanitra hikaroham-bahaolana hiarovana ny ain’olombelona sy hitsaboana ity valan’aretina ity, tsy ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ihany fa mba hitohy mandavan-taona.

Aoka anefa tsy ho hadinoina koa fa mifanindran-dàlana amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus ny firongatry ny tazomoka sy ny dengue ary ireo aretina hafa mahazatra izay amoizana ain’olona maro kokoa aza saika manerana ny nosy koa heverinay fa fotoana izao hijerena akaiky izay fomba hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ankapobeny.

Manana anjara toerana lehibe amin’ity ady atao ity koa ianareo mpisehatra amin’ny fampitam-baovao sy serasera hampahalala ny vahoaka izay tokony ho fantatra sy hanentana amin’ny fitandremana tokony atao koa ankasitrahana ny fanekenareo handray ny adidy tandrify anareo. Mahazo laka tanteraka koa ny tambazotran-tserasera sosialy izay ahafahan’ny maro mifandray sy maneho hevitra. Miantso ny rehetra anefa mba hampiseho fahendrena ka tsy hampita vaovao tsy marina mampikorontana ny fiainam-bahoaka efa trotraky ny tahotra sy ny adim-piainana. Ilaina ny tsikera am-pitiavana hahatsara zavatra fa aoka kosa hatsahatra ny fankahalana mitarika fifandrangitana sy fifanaratsiana tsy hitera-bokatsoa.

Anisan’ny mampitebiteby sy mampametram-panontaniana ny maro ny lafiny fanabeazana noho ny taom-pianarana tapaka an-tenantenany. Sanatria ho taona fotsy ve ity taom-pianarana ity ? Manantena ny hisian’ny sori-dàlana mazava avy amin’ny tompon’andraikitry ny fampianarana isan’ambaratonga mba hampisinda ny tebitebin’ny tanora sy ny ray aman-dreny.

"Aoka ny matanjaka hitsimbina ny osa... ny mpanan-karena hanome ny mahantra, ny mahantra hisaotra an’Andriamanitra nanome olona hitsimbina azy teo amin’ny fahoriany” hoy Md Clément.

Iaraha-mahalala fa ny fepetra fijanonana an-trano dia nisy fiantraikany avy hatrany tamin’ny lafiny toekarena sy ny fiveloman’ny isan-tokantrano sy ny isam-batan’olona ka nanosika hiroso bebe kokoa amin’ny fifampitsinjovana sy fifampizarana, izay sady soatoavina malagasy no soatoavina kristianina. Ankasitrahana indrindra ny tompon’andraikitra ara-panjakana sy ireo malala-tànana na avy eto an-toerana na avy any ivelany ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo niandraikitra ny fizarana. Ny irariana dia mba hisy ny fahamarinana sy ny mangarahara amin’ny fitantanana ny fanampiana rehetra ka tsy hisy ny hahatsiaro tena ho hadino indrindra ireo tena marefo sy ireo any amin’ny tany lavitra andriana.

Mampalahelo anefa indrisy ny mahita fa mbola misy ihany ny zatra lalan-dririnina ka amin’ny fotoan-tsarotra toy izao avy no mbola sahy manodinkodina ny fanampiana tokony ho zaraina, ho an’ny tombontsoan’ny tena manokana. Hita ho nirongatra koa tato anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ny asan-dahalo sy ny fandrombana. Aoka mba hanohina ny fontsika izao fotoan-tsarotra diavintsika izao ka hibebahantsika sy hialantsika amin’ny fitiavan-tena mitondra amin’ny fanararaotana sy ny kolikoly.

Na dia eo aza anefa ny fitsapana maro nolalovana, indrndra ny fisian’ny tondra-drano sy ny haintany dia mampisaotra an’Andriamanitra kosa fa amin’ny ankapobeny dia tsara ny vokatry ny tany tamin’ity taona ity ka mahavelom-bolo ny tantsaha any amin’ny faritra maro.

Ny tanjona iombonantsika dia ny hamongotra tanteraka ity valan’aretina ity eto amin’ny Nosintsika, mba ho tanteraka amintsika tokoa ny "Fiadanana" nomen’i Kristy an’ireo Apôstoly ka ho faly sy ho salama ny mponin’i Madagasikara. Ilàna firaisan-kina sy firaisam-po ary fifanomezan-tànana izany ka aoka re mba hampandeferina ny hampom-po diso toerana ary tsy afangaro ny adilahy politika sy ny tolona ara-pahasalamana izay iarahantsika miatrika. Matoky ny fahendrentsika mpiray tanindrazana izahay Eveka.

Hamafisinay etoana àry ireo teny fanentanana efa nataon’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, indrindra ny amin’ny tokony anarahan’ny tsirairay ireo fepetra rehetra napetraky ny tompon’andraikitra ara-panjakana mba ho fiarovana ny aintsika sy ny ain’ny hafa ary mankasitraka an’ireo rehetra tsara sitra-po nanaraka izany amim-pitiavana sy amim-piniavana fa mitory fitiava-namana lehibe ny ezaka ataontsika tsy hiparitahan’ity valan’aretina ity. Aoka hifampahatoky isika! "Soa iombonana ny fahasalamana" ka mila iezahana arovana fatratra.

"Mitoera ao an-tanàna ianareo mandra-pandraisanareo ny Hery avy any ambony" (Lk 24, 49). “Niray saina izy rehetra ary naharitra nivavaka... niaraka tamin’i Maria Renin’i Jesoa” (Asa 1, 14)

Efa hatramin’ny fotoana nitrangan’ity valan’aretina ity isika no tsy nitsahatra nitodika tany amin’ilay Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra, nitalaho ny famindram-pony sy ny fitantanany ary ny fiarovany. Koa tohizantsika ny vavaka entanin’ny finoana sy ny fanantenana fa i Jesoa Kristy nandresy ny fahafatesana sy ny herin’ny ratsy rehetra dia tsy hamela antsika ho irery. Koa aorian’izao fitsapana lalovantsika izao dia hibaliaka ny masoandron’ny fiadanana sy ny hasambarana izay nirariany hiainantsika.

Tianay ny maneho etoana ny fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy ny havany noho ireo valan’aretina niseho teto amin’ny firenentsika ary manankina ny fanahin’ireo nodimandry eo ampelan-tànan’Andriamanitra.

Mankahery sy mivavaka ho anareo rehetra izay mbola tsaboina mba hahazo fahasitranana. Antoka hiverenan’ny fahasalamana haingana ny fanehoantsika fitiavana ireo marary koa manentana ny mpiara-monina mba tsy hanilika ireo havantsika mitondra ny tsimok’aretina.

Anatin’ny volan’i Masina Maria, mpiaro an’i Madagasikara isika izao. Ankinitsika amin’ny vavaka ataony ny fiainantsika manontolo hahita fahombiazana sy fahasalamana. Tsy ho ela koa ny fankalazana ny fetin’ny Pantekôty, handraisantsika ny afon’ny Fanahy Masina. Koa mamporisika antsika hanao ny vavaka hasivian’andro fiomanana, manomboka ny zoma aorian’ny ankalazana ny niakaran’i Kristy any an-danitra. Koa hamafiso mandrakariva ny finoana.

"Ray ô, ampio izahay hahatahiry ny fahasoavana nomenao, hahavelona mandrakariva ao aminay ny fanomezan’ny Fanahy Masina !".

Mankahery anareo sy mivavaka ho anareo ary mitso-drano anareo izahay Eveka, Ray amandreninareo.

Natao anio faha 21 mey 2020.
Fankalazana ny Niakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra.

  • Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara ;
  • Son Exc. Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filoha lefitra ;
  • Son Exc. Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly ;
  • Son Exc. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana, Administrateur apostolique d’Ambanja ;
  • Son Exc. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo ;
  • Son Exc. Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa ;
  • Son Exc. Mgr Fulgence RABEONY, Arsevekan’i Toliary ;
  • Son Exc. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé ;
  • Son Exc. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana ;
  • Son Exc. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka ;
  • Son Exc. Mgr Rosario VELLA, Evekan’i Moramanga :
  • Son Exc. Mgr Gustavo Bmbin ESPINO, Evekan’i Maintirano, Administrateur Apostolique de Mahajanga ;
  • Son Exc. Mgr Philippe,RANAIVOMANANA Evekan’Antsirabe ;
  • Son Exc. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra ;
  • Son Exc. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary ;
  • Son Exc. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy ;
  • Son Exc. Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana ;
  • Son Exc. Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe ;
  • Son Exc. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro ;
  • Son Exc.Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Eveka mpanampin’Antananarivo ;
  • Son Exc. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo ;
  • Son Exc. Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava ;
  • Son Exc. Mgr Michel MALO, Evêque Emérite d’Antsiranana ;
  • Son Exc. Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé ;
  • Son Exc. Mgr Antoine SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka ;
  • Rév. Père. Jean Claude RAKOTOARISOA, Administrateur diocésain de Tsiroanomandidy

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...