Mandray ny fahasoavan’Andriamanitra izay vita Batemy, ka tonga zanak’Andriamanitra sy voahary vaovao. Ny fanalàna amin’ny ota sy ny fahateraham-baovao ao amin’ny Fanahy masina noho izany no vokatra roa lehibe azo avy amin’ny Batemy.

Victoire Rasoamanarivo no maneho indrindra ny anjara toeran'ny laika ao amin'ny Fiangonana katolika eto Madagasikara. Nentiny nanompoana ny mpiara-monina ny aim-panahy azony tamin'ny finoana sy ny vavaka.

"Ny faniriako dia ny ho pretra tia vavaka, manolo-tena sy manamasina ny vahoakan’Andriamanitra", hoy i Fr.  Rasolomanana Mamory, iray tamin’ireo diakra 18 nohamasinina ho pretra ny 31 oktobra 2020, teto amin’ny Arsidioseizn’Antananarivo. Fito tamin’izy ireo no nanaiky hifampizara ny fanambiny aorian’ny fanamasinana pretra dia

Hatrany am-piandohana no noharian’Andriamanitra ho sambatra ny olombelona. Saingy ny fandriky satana no nahalavo ny olona ka nahavery ny hasambarany. Isan’ny voalohany indrindra amin’izany hasambarana izany ny fiombonany aina tamin’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...