Manentana ny Eglizy hiara-dia ny Papa François, amin'ny sinaodin'ny eveka, izay hotanterahina amin'y oktobra 2023, manoloana ny zava-misy mampivarahontsana iainan'ny zanak'olombelona. Ny firaisan-kina no hery entina misedra ireo olana ireo. Mankahery ny Eglizy izy mba hiombona sy handray anjara ary samy hanatanteraka ny asa fanirahana tandrify ny tsirairay. Hizara telo ny fandaharana entin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Diosezin'Antananarivo, ka hazavainy amin'ity fandaharana ity ny maha-izy ny Eglizy sy ny endrika fiarahan-dia.

Lahatsoratra: "Mba ho Eglizy miara-dia", Mgr.Jean Pascal Andriantsoavina

Ny antony nahatonga ny Papa hivoy sy hisafidy ny lohahevitra hoe “Mba ho Eglizy miara-dia” dia ny fahatsapany ny zava-misy iainan’ny zanak’olombelona amin’izao andro ankehitriny izao. Izany dia noraiketina ao amin’ny Tahirinkevitra fiomanana amin’izao Sinaody izao.

  • Ny loza mahazo ny eran-tany, tahaka ny valan’aretina Covid-19, izay niteraka fahatongavan-tsaina fa ankohonana miara-miondrana ao anaty lakana iray izao tontolo izao, ka ny voina mahavoa ny iray dia mahatratra ny rehetra: tsaroantsika fa tsy misy afa-mamonjy tena samirery, fa tsy maintsy miaraka ihany” (Fratelli tutti – Mpiray tampo avokoa lah.32).
  • Miaraka amin’izay, ny mampirongatra izay tsy izy ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny ... miha-mahazo laka ny fiheverana ny tsirairay ho isan’ny sarambabem-bahoaka fotsiny ary voazarazara ny taranak’olombelona.
  • Ny toe-javatra mampivarahontsana iainan’ireo mpitsoa-ponenana amin’ny faritra rehetra amin’izao tontolo izao.
  • Ny halalin’ny fizarazarana manenika sy mandrotika ny taranak’olombelona.

Noho izany dia ny voin-kava mahatratra ary ny firaisana no hery. Koa raha misy ny fiarahan-dia sy fiaraha-mizaka izay manjo (jer. Gal 6, 2 “mifampitondrà izay mavesatra”) dia mba azo atao ny miara-miroso amin’ny lalina hatrany. Dia nofidìna àry ny lohahevitra hoe “Mba ho Eglizy miara-dia: fiombonana – fandraisana anjara – asa fanirahana”.

1. Inona na iza no atao hoe Eglizy?

Raha vao miteny hoe Eglizy dia mazàna ilay trano hiangonana rehefa alahady no ao an-tsain’ny olona matetika. Voambolana somary mifangaro ny fiangonana, ny tempoly, eglizy, ny kristianina izay antsoina hoe fiangonana. Miavaka tsara anefa izy ireo amin’ny teny grika sy hebrio ka andeha ho jerentsika kely.

  • hieron : dia atao hoe bêt-ha’elôhîm amin’ny teny hebrio. Ny tiana ho lazaina amin’io dia hoe tranon’Andriamanitra. Entina hilazana ilay tempoly ao Jerosalema. Ka ilay trano manontolo no tondroina eto. Miverina in-77 izy io ao amin’ny Soratra Masina ka ny 5 amin’ireo fotsiny no ao amin’ny Testamenta Taloha(T.T) fa ny 72 dia ao amin’ny Testamenta Vaovao (T.V) avokoa (jer. 1Tan 9, 27; 29, 4; 2Tan 6, 13; Mt 4, 5; 12, 5; 1Kor 9, 13).
  • naos: dia atao hoe hêkâl amin’ny teny hebrio. Ka ny tondroina amin’io dia ilay Tempoly toerana masina hanolorana ny Sorona mihitsy (sanctuaire), izay ao anatin’ilay Tempoly atao hoe hieron. Miverina in-111 izy io ao amin’ny Soratra Masina ary ny 66 dia ao amin’ny T.T, ny 45 kosa ao amin’ny T.V. I Jesoa ao amin’ny Jn 2, 19.21 raha nilaza hoe ravao ity Tempoly ity fa hatsangako ao anatin’ny hateloana dia ilay sanctuaire “naos” no nampiasainy, izany hoe, izy ilay Tempoly toera-masina hifandraisana amin’Andriamanitra. I Md Paoly dia mampiasa azy io ihany koa hilazana ny kristianina ka ny vatan’ny olona tsirairay no antsoiny hoe “naos” izany hoe sanctuaire itoeran’Andriamanitra (cf. 1Kor 3, 16; 3, 17; 6, 19; 2Kor 6, 16).
  • Ny faha-telo dia ny ekklesia :Ny “Eglizy” dia avy amin’ny teny grika hoe ekklesia (evkklhsi,a), izay midika hoe, “fivoriam-be” na “fiangonana”. Raha nilaza trano (édifice) ireo roa teo aloha (hieron sy naos) dia tsy mba izany kosa no tondroina amin’ny hoe ekklesia. Olona no tondroina amin’ny hoe Eglizy, olona tafavory (jr. Rm 16, 5 “… ary veloma amin’ny Eglizy (ekklesia) izay mivory ao an-tranony…; Asa 8, 1.3 “Tamin’izany , dia nisy fanenjehana mafy nihatra tamin’ny fiangonana tao Jerosalema, ka niely tany Jodea sy Samaria ny mpino rehetra, afa-tsy ny apôstôly ihany...Fa i Saoly kosa nanejika ny Eglizy; nidirany nosarihana tany an-trano na lahy na vavy, ka nataony an-tranomaizina”). Mazàna dia fivoriam-bavaky ny vahoakan’Andriamanitra no atao hoe ekklesia ao amin’ny T.T (jr. Dt 4, 10; 9, 10; 18, 16; 31, 30; Jos 8, 35; Jg 20, 1-2; 1R 8, 14.22.55; 1Tan 13, 2; 28, 8; Esdr 2, 64; Ne 8, 2; Jb 30, 28; Sal 22, 23; 26, 12).
    Tamin’ny grika fahiny ny “ekklesia” dia fivoriam-be natao ho an’ny tera-tany grika ihany ary tsy mandray olona ivelan’ny grika. 
    Ao amin’ny LXX, ny teny hoe “ekklesia” dia mbola hilazana Eglizy izay mivory noho ny antony ara-pinoana fa indrindra ara-pivavahana. Amin’io dia mitovy amin’ny teny hebrio hoe “qähäl” izy ary azo atao hoe :synagoga na fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra (assemblée de Dieu) cf. Nb 16, 3; 20, 4; Dt 5, 22. Koa olona izany no tondroina amin’ny hoe Eglizy na ekklesia, fivondronana vahoaka miaraka mivavaka na midera an’Andriamanitra.
    Ao amin’ny T.V kosa dia miverina in-114 amin’ny andininy 111 ny teny hoe “ekklesia”. Ilay Eglizin’ny vahoakan’Andriamanitra dia i Kristy no manorina azy ary mirafitra eo amin’ny apôstoly, jr.Mt 16, 18 : “Ary izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny herin’ny afobe tsy hahatohitra azy”. Heviny hafa izay tsy fantatra tao amin’ny T.T ary no mipoitra eto. Tenan’i Kristy: Hita taratra indrindra io tamin’ny dian’i Saoly ho any Damasy hanenjika ireo kristianina (jer. As 9, 1-5). Ny valitenin’i Jesoa tamin’ny fanontanian’i Saoly dia hoe “Izaho no Jesoa izay enjehinao” (jr. As 9, 5). Tsy i Jesoa anefa no nenjehin’i Saoly fa ny kristianina. Nanomboka teo no nahatsapan’i Paoly fa i Jesoa sy ny kristianina dia iray ihany. Ary tsy iza ny kristianina, izany hoe ny Eglizy, (jr. As 8, 3) fa tenan’i Kristy (jr. Ep 1, 22-23; Col 1, 18; Rm 12, 4-5; 1Kor 12, 12.27).
    Tsy manao sorona hita maso toy ny taloha intsony satria efa ampy izay natolotr’i Kristy (cf. Hb 9, 26; 10, 12) fa fanompoam-panahy no atao (jr. Rm 12, 1) izany hoe fanolorana ny tena amin’Andriamanitra (jr. Mk 12, 17).
    Raha nofidin’Andriamanitra manokana ny fiangonan’Israely faha-T.T dia novidian’i Kristy tamin’ny ràny kosa ny Eglizy amin’ny T.V (jer. Asa 20, 28; 1P 2, 9s). Atao hoe Eglizin’i Kristy (jer. Rm 16, 16) [eto dia manamafy indray fa olona no atao hoe fiangonana] na ankohonan’Andriamanitra (1Tim 3, 15) izy.
    Ao amin’ny Evanjely dia mbola miverina faha-2 ny teny hoe ekklesia ao amin’ny Mt 18, 17 “raha tsy mihaino anao izy dia lazao amin’ny Eglizy ary raha tsy mihaino ny Eglizy ihany koa dia ataovy tahaka ny jentily sy ny poblikana”. Koa ny tiany ho lazaina dia tsy tokony handroaka ny mpanota (excomunication) raha toa ka tsy mbola nanoro sy nandresy lahatra azy hiova.

Ankoatra ireo dia miverina im-betsaka izy ao amin’ny T.V ka entina hilazana ny Eglizy voafaritra amin’ny toerana iray ary misy milaza ny Eglizy reniny. Ny atao hoe Eglizy izany dia olona, isika miaraka no mandrafitra ny Eglizy.

Oviana no niforona ny Fiangonana?

Raha ny filazan’ireo Aban’ny fiangonana dia tamin’ny lanivohan’i Jesoa nisokatra teo amin’ny hazofijaliana no niforona ny Eglizy satria sahala amin’ny nampatoriana an’i Adama ka nakana an’i Eva no nakana ny fiangoanana izay Eva vaovao teo amin’ny lanivoan’i Jesoa tamin’ny torimasom-pahafatesany (jr. Jn 19, 34s). Raha ny Soratra Masina no jerena dia marina izany satria ny rà sy ny rano nivoaka ny lanivoany dia tandindon’ny Soron’i Kristy sy ny Fanahy izay mamelona ny fiangonana (jr. Jn 7, 38-39 “...ny Fanahy ho raisin’izay hino Azy no nambarany tamin’izany; fa tsy mbola nomena ny Fanahy, satria tsy mbola niditra ny voninahiny i Jesoa”). Ao amin’ny Evanjelin’i Md Joany dia teo amin’ny hazofijaliana no nandray ny voninahiny i Jesoa. Koa teo amin’izy nolefonina izany no nanome ny Fanahiny izany hoe nampisy ny fiangonana.

Ankoatr’izay dia teo amin’ny andron’ny Paka ihany koa no lazaina fa niforona ny fiangonana satria tamin’io no nitsoka ny Fanahy izy, izay Fanahy fahariana (cf. Jn 20, 22; Jen 1, 2; 2, 7). Ary tamin’ny Pantekôty no nisy ny filatsahan’ny Fanahy ampahibe-maso (jr. Asa 2, 4) ka nisehoan’ny fiangonana tamin’ny olona rehetra (jr. Asa 2, 1-13). Ka toy ny fahaterahana ofisialy ho an’ny fiangonana. Raha jerena ny Soratra Masina ny eo alohan’ny Asa 2 dia saika miresaka ny fiangonana ho avy (jr. Asa 1, 4-8). Ny aorian’ny Asa 2 dia miresaka ny fiangonana efa misy (jr. Asa 2, 47; 5,11; 8, 1-3). Noho izany dia io Pantekôty io no fahaterahana ofisialy na dia marina mihitsy koa aza fa efa teo amin’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana no niforona ny fiangonana, izany hoe, ny mpino nandray ny Fanahiny.

Ny fivoaran’ny fijoron’ny fiangonana

Miandàlana ny fijoron’ny fiangonana. Na ny anarana niantsoana ireo izay nivondrona ho fiangonana aza dia nivoatra tsikelikely. Tsy tonga dia nitondra ny anarana hoe Kristianina ohatra ireo mpino nanara-dia an’i Jesoa Kristy fa mbola nantsoina hoe Mpianatra.

  • Ny mpianatra:
    Tsy voafaritr’ireo 12 lahy nofidian’i Jesoa manokana izay atao hoe Apostôly ny mpianatra fa ireo rehetra vondron’olona nanara-dia an’i Jesoa Kristy dia natao hoe mpianatra avokoa. Miverina in-261 io hoe mpianatra io ao amin’ny Tesatamenta Vaovao ka tsy ho voalaza eto daholo (ohatra vitsivitsy: jr. Mt 5, 1.23; 14, 15; Mk 9, 14; Lk 20, 45; Jn 6, 66). Ao amin’ny Asan’ny apostoly dia miverina in-28 izy io ka entina hilazana ireo izay olona nanaradia an’i Jesoa Kristy [jr. toko 6 (3); toko 9 (7); toko 11 (2); toko 13 (1); toko 14 (3); toko 15 (1); toko 16 (1); toko 18 (2); toko 19 (3); toko 20 (2); toko 21 (3)]. Ny atao hoe mpianatra izany dia ireo olona nanara-dia an’i Jesoa sy ny fampianarany.
  • Ny fitombon’ny mpianatra
    Taorian’ny toritenin’i Piera (Asa 2, 37-38. 41) tamin’ny Pantekôty dia nitombo haingana ny fiangonana satria maro ireo natao batemy ka niampy tokony ho 3000 ny olona nanampy azy ireo, i.e, lasa mpianatra niaraka amin-dry Piera; nitombo ihany izany ka ny 3000 lasa 5000 (jr. Asa 4, 4). Ary tsy nitsahatra nitombo io isan’ny mpianatra io (jr. Asa 2, 47; 5, 14; 6, 1; 9, 31; 11, 21; 16, 5).
  • Antony nampitombo isa ny mpianatra
    Ny antony nampitombo isa ny mpianatra dia ny fielezan’ny Tenin’Andriamanitra (jr. Asa 6, 7; 12, 24; 13, 48-49; 19, 20). Raha io no jerena dia fanohitra ary andry ho an’ny fampielezam-pinoana ny fampielezana ny Tenin’Andriamanitra. Ary vao maika aza mora kokoa ho an’ny olona ny mihaino ary liana kokoa izy raha toa ka teny azony no hitenenana aminy (jr. Asa 22, 1-2). [izay no nahatonga ny fampirisihina handika ny Baiboly amin’ny teny azon’ny sarababem-bahoaka azy satria tany am-piandohana dia teny Hebrio ho an’ny Testamenta Taloha ary teny Grika ho an’ny Testamenta Vaovao no nanoratana ny Baiboly jr. DV n°22 ]. Ary ny antsika teto Madagasikara dia efa nankalaza ny 75 taona ny nandikana ny Baiboly amin’ny teny malagasy isika.
  • Iza ireo antsoina hoe Kristianina?
    Taty aoriana dia ireo mpianatra niangona ireo no nantsoina hoe Kristianina (jr. Asa 11, 26; 26, 28), i.e, izay rehetra nandray an’i Jesoa ho Tompony ary nandray ny fampianarany. Miverina in-telo io anarana io ao anaty Baiboly ka ankoatra ireo voalaza ireo dia i 1Pi 4, 16 no milaza fa ny mpino manaraka an’i Kristy no tondroina ho Kristianina.
    Ireo nino an’i Jesoa izany dia niha-nitombo isa. Nantsoina hoe mpianatra izy ireo tany am-piandohana, avy eo vao naka ny anarana hoe kristianina. Ireo kristianina miangona no fiangonana.

2. Ireo endrika fiarahan-dia

Misy efatra ireo endrika fiarahan-dia ho resahiko eto:

  • Fiarahan-dia eo amin’ny Trinité Masina:
    Ao amin’ny Jn 1, 1 “Tamin’ny voalohny ny Teny, ary ny Teny dia nitodika tany amin’Andriamaitra hatrany, ary Andriamanitra ny Teny”.
    Nitodika: izany hoe niresaka. Isan’ny niainan’ny Trinité Masina ny fiarahan-dia nisy teo aminy ny fifampiresahana (dialogue) jr. Jen 1, 26. Ankoatr’izay dia teo foana ny Trinité Masina tamin’ny vanim-potoana rehetra manan-danja tamin’ny fiainan’i Jesoa:
    -Filazàna (jr. Lk 1, 26-38)
    -Batemy (jr. Lk 3, 21-22)
    -Fahafatesana (jr. Lk 23, 44-46)
  • Eo amin’ny fiarahan-dia dia misy ny “synodalité affective” izany hoe miaraka am-po sy eritreritra na dia tsy tafiara-dalana aza
  • Misy ny “synodalité effective” izany hoe tena eo miara-dalana mihitsy. Samy zava-dehibe ireo satria raha toa ka tsy afaka ny ho tonga na ho tafara-dia dia mba any ny fo sy ny saina. Izay ilay lazaintsika mazàna hoe miombom-po.
  • Andriamanitra miaraka amin’ny vahoaka : Nanamora ny fifandraisany amin’ny olombelona Izy. Io no faratampon’ny fiarahan-diany amintsika olombelona dia ny fahatongavana ho nofo. Lk 2, 7 “... ary niteraka ny zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona...” Lk 2, 8ss “Ary tamin’izany tany izany dia nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha...fa mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao anaty fihinanam-bilona no ho hitanareo...”

Fa maninona no ny mpiandry ondry? Satria i Betlehema no toerana nahaterahany.

  • I Betlehema anefa dia tsy inona fa toeran’i Davida mpiandry ondry (1S 16, 11; 17, 15). Ankoatr’izay ny mpiandry ondry tany Palestine fahizany dia ratsy laza satria heverina fa sady mpangalatra no tsy azo atokisana ka eto dia maneho ireo olona mpanota nohatonin’Andriamanitra izy ireo.
  • Fihinanam-bilona miverina in-telo: vv. 7.12.16: ny fihinanam-bilona no toerana falehan’ny mpiandry ondry be indrindra satria tsy maintsy mandatsaka vilona ao izy farafahakeliny in-2 isan’andro noho izany toerana mora antonina sy aleha ho azy ireo.
  • Zazakely nohodidinina lambanjaza: ny zaza dia mahatehotia, tsy mahatahotra ny manatona azy. Voahodidina lamabanjaza satria marefo noho izany tsy atahorana.

Noho izany dia nataon’Andriamanitra mihitsy izay fomba mba hahamora ny fanatonan'ny olombelona Azy. Manatona antsika Andriamanitra satria te-hiara-dalana amintsika, ho afaka hamonjy antsika. Hahamora ny fifaneraserantsika aminy.

Atao fitaovana fotsiny ihany Andriamanitra

Io anefa no mety ho toe-pon’ny olona rehefa mandray an’Andriamanitra miara-dalana aminy. Lk 2, 7b “fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny”: ny tranom-bahiny eto dia atao hoe kataluma. Izy io dia efitrano lehibe iray ka handraisam-bahiny (misy koa fisakafoana fa eto dia fandraisam-bahiny). Ka efa feno ary tsy misy hitoerana intsony.

Toy izany ihany koa ny fon’ny olona mandray an’Andriamanitra. Rehefa feno zava-kafa tahaka ity kataluma ity dia tsy misy hitoeran’Andriamanitra. (Inona no tena zavatra mameno ny fontsika ?). Amin’izay dia alefa ao amin’ny tranon’omby Andriamanitra, ahilika. Tsy tena hoe afohy tanteraka fa ahilika ao an-tranon’omby. Satria ny ao an-tranon’omby no apetraka ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny fiainana an-davan’andro, ireo fitaovam-piasana ka rehefa ilaina ampiasaina vao alaina. Dia toy izany no fandraisan’ny olombelona an’Andriamanitra. Rehefa feno zavatra hafa ny fony dia ahilika aloha Andriamanitra ka rehefa ilaina vao alaina, lasa fitaovana sisa Andriamanitra fa tsy ilay olona raisina toy ny havana, olona irina hiara-monina sy hiara-dalana amintsika.
Fakampanahy apetraky satana amin’olona ny toe-po sy fiheverana fa ny ilàna an’Andriamanitra dia ny hitahy (izany hoe: fitaovana hiahy ny aina sy ny fananana) fa tsy ho mpiara-dàlana sy ho mpiara-monina ka hifikirana sy inoana. Jr. Jb 1, 6-12; 2, 1-10.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...