Samy mandray anjara amin'ny maha-mpisorona, mpaminany, mpanjaka an'i Kristy ny vita Batemy rehetra. Samy manana ny andraikiny anefa izy ireo : ny mpiandry ondry, izay mpampianatra sy mpanamasina, ary ny vahoaka, mandray ny fampianarana sy mampihatra izany amin'ny fiainana andavanandro. Mila fanetren-tena izany. Tohin'ny fandaharana nataon'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Diosezin'Antananarivo, momba ny endriky ny fiaraha-dia.

 Lahatsoratra: "Mba ho Eglizy miara-dia", Mgr.Jean Pascal Andriantsoavina, tohiny

Nandritra ny fiainany i Jesoa, Andriamanitra tonga nofo, dia nangoraka ny fijalian’ny olona: ireo mpanota, mahantra sy tsy mahalala an’Andriamanitra [sao maty vao ramalala. Ilay rangahy bankiropitra, nangalarin’olona ny entana nisy ny karamany

  • Lk 7, 11-17 ilay zanaka mananotena tao Naïm
  • Nizara mofo Mk 8, 1-10
  • Mangoraka ny mpanota: tsy maika ny hanameloka fa mahita ny tsara any aminy (jr. Zaké Lk 19, 1-10; ilay Jn 8
  • Ilay vehivavy kananeana Mt 15, 21-28
  • Ilay vehivavy samaritana Jn 4, 1-42
  • Eglizy miara-dia amin’ireo rantsam-batany rehetra: miara-dia amin’ny Papa, Eveka, Pretra, Relijiozy, Lahika. Fiarahan-dia ato anatin’ny Eglizy katolika no tiana ambara sy hiainana amin’izany. Ireo rehetra ato amin’ny Eglizy no miaradia (araka ny hitantsika ao amin’ny Logo). Mitovy daholo isika eo anatrehan’Andriamanitra ary samy mendrika sy nantsoina ho masina (cf. Mt 5, 48). Samy mandray anjara amin’ny maha- mpisorona, mpaminany, mpanjaka an’i Kristy. Fa samy hafa ny andraikitra.
    Ny mpiandry: (ny Pape, ireo Eveka, ny Pretra) dia manana adidy mikolokolo ny mpino amin’ny alalan’ny fampitàna ny tahirimasin’Andriamanitra, fizarana ny Eokaristia, ny vavaka. Ao amin’ny Jn 21, 15b. 16b. 17b dia isa’ny marika ny fitiavana an’i Kristy ny famahanana ny ondriny. Famahanana azy amin’ny fampianaram-pinoana ka hifikirany amin’i Jesoa (2Tim 2, 2; 4, 2.5). Ary isan’ny adidy tsy maintsy ataon’ny mpitarika voalaza teo aloha io satria hoy Md Paoly “...avy amin’ny toriteny ny finoana; ary avy amin’ny tenin’i Kristy ny toriteny” Rm 10, 17. Hafatr’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianany rahateo ny hitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny firenena rehetra (jr. Mt 28, 19 “Koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra...”; jereo koa Mk 13, 10 tsy maintsy toriana amin’ny firenena rehetra aloha ny Vaovao Mahafaly alohan’ny hahatongavan’ny farany; Mk 16, 15 “... mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Vaovao Mahafaly amin’ny voahary rehetra”). Noho izany dia tsy afaka misaraka amin’ny fiainan’ny Kristianina ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ary adidy tsy maintsy atao io (cf. 1Kor 9, 16-17 “Raha mitory ny Vaovao Mahafaly aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka loza ho ahy raha tsy mitory ny Vaovao Mahafaly aho. Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa adidy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany”).
    Ny vahoaka: mandray ny fampianarana ary mampihatra izany amin’ny fiainana an-davan’andro. Mahay miara-miasa amin’ny mpitarika ary misy fiombonam-panahy amin’izy ireo. Mankatoa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Ary raha ny Soratra Masina no jerena dia mazava ny voalazan’ny Taratasy ho an’ny Hebrio mikasika an’io. Hb 13, 17 : “Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo, mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany fa tsy ho amin’alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany”. Fankatoavana sy fanekena ireo lehibe ara-panahy no lazaina eto.
    Ny mpino dia tsy mpitarika (tsy anjarany izany) saingy ampandraisina anjara izy ireo satria afaka manimbolo ny lalana tokony hizorana.
  • Arakaraky ny hitomboan’ny olona no tsy maintsy hanampiana ny tompon’andraikitra eo amin’ny fitantanana ny vahoaka. Izay nomen’Andriamanitra andraikitra anefa dia tsy maintsy miahy ireo vahoaka ireo toy ny fiahian’ny Ray aman-dreny ny zanany (jr. Nb 11, 12 “Izaho va no torontoronina an’ity vahoaka rehetra ity, ary izaho va no niteraka azy no dia izaho no ilazanao hoe: trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono,...”). Toy izany koa i Jesoa rehefa nahita ireo vahoaka nanaraka azy dia nitodika tany amin’ny mpianatra, izay nontsoiny manokana, hiahy ireo vahoaka ireo (jr. Mk 6, 37; 8, 2.3). Manoloana ny isan’ireo vahoaka sy ny andraikitra nankinina taminy dia mahatsapa fa tsy mahefa irery izay voatendry hitarika ka mila fanampiana.
    Nasain’Andriamanitra nanendry olona hanampy azy i Moizy (Nb 11, 14.16-17).
    Rehefa nitaraina tamin’Andriamanitra i Moizy fa tsy zakany irery intsony ny vahoaka fa mavesatra aminy (jr. Fan 11, 14) dia nasainy nanendry 70 lahy amin’ny loholona mba hiaraka hiadidy aminy (jr. Fan 11, 16-17).
    Ny mpianatra nanendry olona hafa hiandraikitra ny fitantanana (jr. Asa 6, 1-7). Toy izany koa rehefa nitombo isa ny mpino kristianina dia tsy afaka hisahana ny raharaha ara-sosialy sy ara-pastoraly miaraka ireo Apôstôly ka nanendry olona hafa hiadidy ny ara-sosialy. Fa izy ireo koa nilofo tamin’ny lafiny ara-tsakarementa (vavaka sy ny Tenin’Andriamanitra v. 4: manohy izay nataon’i Jesoa jr. Lk 3, 21; 5, 16; 6, 12; fanatanterahana ilay mivavaka tsy mitsahatra Lk 18,1; ary tena naharitra nivavaka tokoa (Asa 1, 14); ny mikasika ny Tenin’Andriamanitra dia ny Apôstôly no miantoka azy io (Asa 1, 3.6-8.17.22.25; 5, 42).
    Marihina ihany koa fa tsy hoe voaràra ho an’ireo Apôstôly akory ny hoe hiandraikitra ny fitantanana ara-sosialy na voarara ireo 7 lahy tsy hitory teny (jr. satria dia nitory teny izy ireo: Etienne jr. Asa 7, 1-54; Philippe izay voalaza fa evanjelisitra jr. Asa 21, 8.
    Noho izany dia tsy natao ho an’olon-tokana ny fitondrana ny vahoakan’Andriamanitra indrindra rehefa nitombo isa izy ireo. Na izany aza anefa dia misy ireo tompon’andraikitra voalohany izay tompon’ny fanapahan-kevitra dia ny Apôstôly sy ny dimbiny ary ny mpiara miasa aminy (jr. Asa 15, 13-21).
  • Eglizy miara-dia amin’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, izany hoe rehefa mety ho olona: ireo kristianina tsy katolika, ireo ao amin’ny fivavahana tsy kristianina, ireo tsy mpino …

 

  • Mk 9, 38.39 “Ary niteny i Joany ka nanao tamin’i Jesoa hoe : Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka norarànay. Fa hoy i Jesoa hoe: Aza raranareo izy, fa tsy misy olona hanao zava-mahagaga amin’ny anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika”
    Inona no zava-nitranga?
    Joany, iray amin’ireo mpianatra telo tena akaiky an’i Jesoa (jr. Mc 3, 16-17; 5, 37; 9, 2; 14, 33), no nahita olona ivelan’ireo nanaraka an’i Jesoa sy ny mpianatra nandroaka demony ka nandràra (jr. Mc 9, 38). Ary ao amin’ny Mk 9, 39-40, i Jesoa no manoro izay tokony ho fitondran-tena na fihetsika manoloana ny zavatra toy ireny.
  • Nisy olona nampiasa ny anaran’i Jesoa handroahana demony. Io anefa dia fahefana, hatrany am-piandohana, an’i Jesoa (jr. Mk 1, 25.34. 39 ; Mk 7, 26-30), ary koa andraikitra nankinina tamin’ny mpianatra (jr. Mk 3, 15; 6, 7.13). Na efa nomena fahefana aza anefa izy ireo dia nisy fotoana tsy nahombiazany satria nahatsiaro tsy nisy hery handroahana demony (jr. Mk 9, 18.28). Manoloana ny toe-javatra toy izay dia nandràra ireo izay olona hafa nandroaka demony izy ireo (marihina ihany fa tsy isan’ireo izay nanaraka an’i Jesoa sy ny mpianany ireto nandroaka demony ireto: "ouk ékolouthéi hémin, parce qu'il ne nous suivait pas". v. 38: ny matoanteny akoloutéo izay lazaina eto dia midika hoe manaraka toy ny ataon’ny mpianatra ary ny hémin dia midika hoe isika, noho izany dia tsy isan’ny Eglizy nanaraka an’i Jesoa sy ny Apôstôly ity nandroaka demony ity, satria ireo mpianatra ireo ihany no nomena io fahefana io, dia ilay mpianatra niaraka tamin’i Jesoa. Ka izany no antony nahatonga an’i Joany nandràra azy ireo (tokony ny mpianatra ihany no mandroaka demony, ireto anefa mandroaka demony sady tsy isan’ireo nanaraka azy ireo akory).

Noho izany dia olona efa nahafantatra an’i Jesoa saingy tsy isan’ireo nanaraka an’i Jesoa sy ny mpianany mivantana io nandroaka demony io. Raha amin’izao fotoana izao dia ireo fiangonana kristianina tsy katôlika.

Manoloana ireo dia tsotra ny fampianaran’i Jesoa:

  • Tsy tokony handràra izay manao toy izany, izany hoe, ireo fiangonana hafa ivelan’ireo mpianatra satria tsy manohitra izy ireo ary manao asa tsara amin’ny anaran’i Jesoa. Raha io no jerena dia hita fa miasa amin’ireo izay tsy isan’ny mpianatra sy ireo manaraka azy sy ny mpianany ihany koa Andriamanitra.
    Noho izany manoloana ireo izay tsy mpianatra kanefa miantso ny anaran’ny Jesoa dia tsotra ny fampianarany “aza mandràra azy fa hajao izy”. Tokony hajaina izy ireny satria mampiasa ny anaran’i Jesoa ihany koa.
  • Ireo samaritana tsy nandray an’i Jesoa Lk 9, 51-56 : Tsy noraisin’ny samaritana ry Jesoa sy ny mpianany izany hoe nahiliky ny samaritana. Eto dia miseho ny fisainana maha-olombelona ireo mpianany. TSY MAHATANTY FANILIHANA, tsy mahatanty voahilika, hany ka ny hamaly faty no tonga ao an-tsaina avy hatrany ‘tsy maninona ve raha handatsahantsika varatra izy ireo” : Lk 9, 54.- Valitenin’i Jesoa: and.55 “Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo”:

◦ Tsy mihevitra ny tena ho zavatra na vy fanga noho ny hafa
◦ Mahatanty / Mahalefitra fanilihana sy fanalam-baraka.

Ny fananantsika ireo toe-panahy ireo mahatonga antsika ho afaka hiaradia amin’ny olona rehetra eny fa na dia ireo tsy miraharaha antsika aza. Mahatonga antsika ihany koa tsy hamaly ratsy na hitady izay hahavoa ny hafa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...