Nafantoky ny Papa François tamin’ny fibanjinana ny Misterin’ny fijalianan’ny Tompo sy ny fitsanganany ho velona ny hafatra ho an’ny Karemy amin’ity taona 2020 ity. Mistery izay fototry ny fiainana maha-kristianina. Hafatra nampitondrainy ny lohateny hoe : "Mihanta aminareo amin’ny anaran’i Kristy izahay : mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo !"(2 Kor 5, 20).

Amin’ity taona ity indray , mbola manome fotoana tsara ho antsika ny Tompo mba hiomanantsika hankalaza amin’ny fo vaovao ny Mistery lehiben’ny fahafatesana sy ny fitsanganan-ko velon’i Jesoa, vato fehizoron’ny fiainana kristianina manokana sy iombonana. Tsy maintsy miverina amin’io Mistery io ny fo sy ny fanahintsika. Izany tokoa, tsy mitsahatra mitombo ao amintsika io mistery io, raha toa ka avelantsika hiasa ao amintsika  ny heri-panahiny ary miditra ao aminy isika amin’ny alalan’ny vali-teny tsotra amin-kahalalam-po.

1. Ny Misterin’ny Paka , fototry ny fibebahana

Ny hafaliana kristianina dia miainga amin’ny fihainoana sy ny fandraisana ny Vaovao Mahafalin’ny fahafatesany sy ny fitsangana-ko velon’i Jesoa: ny kerygma. Izy no mamintina ny Misterim-pitiavana "tena misy, tena marina, tena azo tsapain-tanana izay manolotra antsika fifandraisana avy amin’ny fifanankalozana marina sy mahavokatra" (Exhort. Ap. Christus vivit, n° 117). Izay mino ny filazana, dia mandà ny lainga izay milaza fa isika ihany no fototry ny fiainantsika, nefa ny marina dia  amirapiratan’ny fitiavan’Andriamanitra Ray izy, ny sitrapony te hanome aina antsika be dia be (jereo Jn 10, 10). Ankoatr’izany, raha mihaino ny feo mampitolagagan’ "ny rain’ny lainga" isika (Jn 8, 45), dia hilentika anatin’ny hantsan’ny hadalana, hiaina ny afobe dieny ety ambonin’ny tany, toy ny asehon’ireo tranga maro mampitaintaina, indrisy, eo amin’ny trai-kefam-piainan’ny olombelona manokana sy iombonana.

Amin’ity Karemy 2020 ity, tiako,  noho izany, ny hampiely amin’ny kristianina rehetra, izay efa nosoratako ho an’ny tanora tamin’ny taratasy fanentanana apôstôlika Christus vivit, Velona i Kristy : "Jereo ny tanana miampatr’i Kristy voafantsika, meteza ho avotany indray, ary ho avotany. Ary rehefa  manatona Azy ianao hiaiky ny fahotanao,  dia minòa marina tokoa ny famindram-pony izay manafaka anao amin’ny fahadisoana. Banjino ny rà nalatsany tamim-pitiavan-dehibe ary meteza ianao hodiovina amin’ny alalany. Mety hateraka ho vaovao indray ianao amin’izay" (n°123). Tsy zava-niseho efa lasa ny Pakan’i Jesoa  : noho ny herin’ny Fanahy Masina, mbola mitoetra ankehitriny izany ary ahafahantsika mijery sy mahatsapa amim-pinoana ny nofon’i Kristy amin’ireo olona mijaly. 

2. Ilaina maika ny fibebahana

Mahavonjy ny mibanjina lalina ny Misterin’ny Paka fanavotana, izay nanomezana antsika ny famindram-pon’Andriamanitra. Ny fiainana ny famindram-po, noho izany dia tsy tomombana raha tsy "mifanatrika" amin’ny Tompo nofantsihana sy tafatsangan-ko velona "izay efa tia ahy, sy nanolo-tena hamonjy ahy" (Ga 2, 20). Ny fifampiresahana amin’ny fo, eo amin’ny samy mpinamana. Izany indrindra no maha-zava-dehibe ny vavaka amin’izao vanim-potoanan’ny Karemy izao. Ka alohan’ny maha adidy azy, dia maneho ny filàna ny fifandraisana amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay mitarika antsika sy manohana antsika mandrakariva. Araka izany, mivavaka ny kristianina amin’ny fahatsapany fa tiana izy na dia eo aza ny tsy fahamendrehany. Miseho amin’ny endrika maro ny fivavahana, nefa ny zava-dehibe eo imason’Andriamanitra, dia  izy maniteraka ao amintsika mandrampahazoany ny hamafisan’ny fontsika, mba hampibebaka azy mandrakariva ao aminy sy araka ny sitrapony.  

Amin’ity fotoana tsara ity, meteza ianareo araka izany ho tarihana toa an’i Israely tany an-tany efitra (Jereo Os 2, 16), mba hahahafahantsika mandre ny feon’ilay Vady masina, mba hampanako ao amintsika lalina kokoa sy ho vonona mandrakariva. Arakaraka ny hanekentsika hiasan’ny Teniny, no hahafahantsika mianoka ny indrafony maimaim-poana ho antsika. Aza avelantsika ho very maina izao fotoam-pahasoavana izao, anatin’ny fihamboana fa isika no tompon’ny fotoana sy ny fomba ibebahanantsika Aminy.

3. Ny sitrapon’Andriamanitra miredareda hifampiresaka amin’ny zanany

Ny fanomezan’Andriamanitra antsika, fanampiny indray, ny fotoana tsara hibebahantsika,  dia tsy tokony hatao antsirambina velively. Ity fotoana vaovao fanararaotana ity no tokony hamohafoha ao amintsika ny fahaiza-mankasitraka sy hanaitra antsika amin’ny fahalainana. Na dia eo aza, indraindray mampitaintaina, ny ratsy eo amin’ny fiainantsika sy ao amin’ny fiainan’ny  Fiangonana ary ny fiainan’izao tontolo izao, io sehatra nomena mba ho fiovan’ny tanjona io dia maneho ny sitrapon’Andriamanitra maharitra mba tsy hanapaka ny fifanakalozam-pamonjeny amintsika. Ao amin’i Jesoa voafantsika, izay "natao ota ho antsika" (2 Kor 5, 21), Tonga amin’ny fotoana hamarinana ny fahotantsika amin’ny Zanany ity sitrapo ity hany ka "hampivadika an’Andriamanitra amin’ny tenany izy", araka ny nolazain’ny Papa Benoît XVI (Jereo Enc. Deus caritas est, n°12). Araka izany, tia ireo fahavalony koa Andriamanitra (jereo Mt 5, 43-48). 

Ny resaka tian’Andriamanitra haorina miaraka amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny Misterim-panavotan’ny Pakan’ny Zanany  dia tsy toy izay natolotra ny mponina tany Atena, izay "tsy nandany andro afa-tsy tamin’ny filazana na fihainoana zava-baovao" (Ac 17, 21). Io karazana resabe, avy amin’ny  fahalianana tsy misy fotony sy  misavoamboana, no mamaritra ny maha-izao tontolo izao amin’ny fotoana rehetra sy, amin’ny androntsika, ary mety hifamoivoy koa  ao anatin’ny fampiasana mamitaka ny fitaovam-pifandraisana. 

4. Ny harena ho zaraina fa tsy hangonina ho an’ny tena

Mametraka ny Misterim-panavotana ao anivon’ny fiainana dia midika fa mahatsapa fangorahana ny ferin’i Kristy voafantsika iainan’ireo olona iharan-doza maro tsy manan-tsiny noho ny ady, ao anatin’ny herisetran’ny fiainana, nanomboka hatran’ny an-kibon-dreny ka hatramin’ny fahanterana, amin’ny endriky ny herisetra tsy tambo isaina, ny loza momba ny tontolo iainana, ny fitsinjara-mitanila ny haren’ny tany, ny famarotana olona amin’ny endrika rehetra sy fikatsahana tombotsoa miompampana izay endrika fanompoan-tsampy.

Ankehitriny ihany koa, dia zava-dehibe ny manao antso avo amin’ny lehilahy sy vehivavy rehetra tsara sitrapo mba hizara ny hareny amin’izay tena mila izany amin’ny fanaovana asa fiantrana, toy ny endriky ny fandraisana anjara manokana amin’ny fanorenana tontolo ara-drariny. Ny fizarana am-pitiavana no mahatonga ny olona ho tena olona kokoa, fa ny fanangonana dia mety hahadonto azy, amin’ny fikombonana anatin’ny fitiavan-tena.  Afaka ary tsy maintsy mandeha amin’ny lavitra kokoa isika, eo am-piheverana ny lafim-pandaminana ara-toekarena. Noho izany, amin’izao Karemy 2020 izao, manomboka ny 26 hatramin’ny 28 mars, dia antsoiko ho any Assise ny tanora mpahay toekarena, ny mpandraharaha  sy mpitondra fanovàna, mba handray anjara amin’ny  famolavolana vangovangon-tsarin’ny toekarena ara-drariny kokoa sy hafa kokoa noho ny ankehitriny. Araka ny averimberina matetika ao amin’ny Fampianaran’ny Fiangonana, ny pôlitika no endrika ambonin’ny fitiavana (Jereo. Pie XI, Discours aux Membres de la Fédération Universitaire Catholique Italienne, 18 décembre 1927). Toy izany koa ny fitantanana ny toe-karena, mifototra amin’io toe-panahin’ny Evanjely io izay toe-panahin’ny fahasambarana.

Italahoako ny vavak’i Maria Virjiny masina mandritra izao Karemy ho avy izao mba handraisantsika ny antso hanaiky hihavanana amin’Andriamanitra,  hampiraikitra ny fijerin’ny fontsika amin’ny misterin’ny Paka sy hibebahantsika amin’ny fifampiresahana misokatra  sy marina amin’Andriamanitra. Noho izany indrindra no hahafahantsika ho tonga, araka ny nolazain’i Kristy tamin’ny mpianany : "fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao" (Mt 5, 13-14)

François

 

Nomena tao Roma, tao Md Joany tao Latran, 07 oktobra 2019

Fetin’i Masian Maria Mpanjakavavin’ny Raozery.     

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...