Homarihana ny 25 jolay 2021 ny andro maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy renibe ary ny zokiolona, araka ny fanentanana nataon'ny Papa François. MIombom-po amam-panahy amin'ireo zokiolona ny Eglizy maneran-tany  ka manandratra izao vavaka izao :

Vavaka ho an'ny andro maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy renibe ary ny zokiolona

Misaotra Anao izahay, ry Tompo,
Nohon’ny fisianao mankahery ahy
Rehefa iny izaho manirery,
Ianao kosa no fanantenako sy tokiko;
Hatramin’ny fahatanorako dia vatolampiko sy heriko Ianao!

Misaotra nohon’ny fianakaviana nomenao ahy
Misaotra Anao amin’ny tso-drano sy fahasoavana ka ,nahalava andro iainana ahy.
Misaotra Anao amin’ireo hafaliana, sy fotoan-tsarotra,
Misaotra Anao amin’ireo vina sy nofy izay tanteraka, ary ireo izay mbola kinasa,
Misaotra noho izao fotoam-pahasoavana sesehena mbola hiantsoanao ahy izao

Tompo ô , hampitomboy ny finoako,
Hataovy ho tonga mpitondra fiadanana aho;
Hampianaro aho handray ireo izay mijaly kokoa noho izaho
Hampianaro aho tsy hitsahatra hanana vina
Sy hitory ny hatsaranao ry Ray amin’ny taranaka mifandimby.

Arovy sy tantano ny Pape François ary ny Eglizy,
Mba hanenika izao tontolo izao ny hazavana izay entin’ny Evanjely.
Ry Tompo ô, arotsahy ny Fanahinao Masina mba hanova ny endrik’ izao tonto izao,
Tonio ny rivotra entinao izao valan’aretina izao,
Omeo hery ireo osa ary ary atsaharo ireo karazan’ ady.

Tompo ô , tohano amin’ny fahalemeko aho
Mba ahafako miaina ara-dalana
Amin’ireo fotoam-pahavelomana omenao ahy.
Ao anatin’ny fahatokisana tanteraka fa eo anilako mandrakariva Ianao
Mandram-pahatapitr’izao tontolo izao.

Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...