Sekoly fanofanana arak’asa no sahaza ny besinimaro, ka aza hadino izany ry mpanabe sy ray aman-dreny isan-tsokajiny. Satria izany ihany no lalana fohy sy tsotra indrindra hivoahana amin’ny tsy fananan’asa sy ny fahantrana lavareny mangeja antsika... Koa na ny CEG na ny Lycée na ny Sekoly Ambony ho an’ny fianarana asa dia samy ilaina avokoa. Sambatra lahy ny ao Bongolava fa efa mba manana ny LTA ao Ambohitsoa, ao Tsiroanomandidy.

Koa amporisihina ireo zatovo nahazo ny BEPC mba hanatona sy hanohy ny fianarany amin’ireny toerana ireny, raha te hanana hoavy mamiratra, satria tsy ny asam-birao no mahavelona bebe kokoa fa ny asa fitrandrahana ireo harena sy talenta isakarazany, dia ny fambolena sy fiompiana ary ny jono sy ny fihariana amin’ny endriny maro, toa ny asatanana sy ny nahandro ary ny haitao mbamin’ny ny teknika isakarazany. Mamporisika anareo mpanabe sy ray aman-dreny àry izahay, mba tena handresy lahatra ny taranaka hianatra asa avy hatrany, hananany antom-pivelomana tsara sy mahomby. Mamporisika ny Ministera miahy ny fanabeazana, mba hanapariaka ireo sekoly sy programam-pampianarana natao hanampy ny zatovo sy tanora hampiasa ireo talentany… Mamporisika ireo mpanakarena hanosika ny mpiara-belona aminy, hananany asa mendrika ny maha olona, fa izany no antoky ny fivoarana sy fandriampahalemana.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...