Mangetaheta famonjena ny olona, te hivoatra sy te handroso amin’ny lafiny maro tokoa ny Malagasy, siangy io no lesoka: samy maka ho azy sy ny ramatahora no miely sy manjaka... Mila Pretra izy ireo, tena Pretra fa tsy irony Fonctionnaires de Dieu irony. Koa ampirisihina isika, heindaka amin’ny zavatra eto an-tany, fa hampiasa azy ireny kosa mba ho fanampiana ny namana dia ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka. Midika izany fa mila fihavaozana avy ao anaty isika.

Ilaina àry ny mivavaka tsy tapaka, fa tsy azo atao atsirambina ny fanabeazana ny olona, mba hahalala tsara ny ataony sy ny lalana tokony hizorany isan’andro. Tsy miantsy mijery sy miahy ny tapakao ianao, dia ireo mpiray fatrange (tanàna) aminao sy ny mpifanolo-bodirindra ary ny mpiara-miasa… fa ireo no mandrafitra ny mpiara-belona izay natao hifanohana sy hifanampy ary hifandamina, ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany, sy ho voninahitr’Andriamanittra lehibe indrindra...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...