Raha tombanana sy fintinina tsotra dia tsotra ny amin’ireo resadresaka sy fanontaniana ary valiny, teto amin’ny fandaharana «Hono ho’ aho Mompera», nandritra ity taona 2022 ity, dia azo lazaina fa tao ireo fanontaniana tsara sy tena mahasoa tokoa ary matotra, tao ireo fanontaniana tsotra sy mazava noho ny tsy fahalalana sy ny fetra ananantsika, ary tao koa ireo fanontaniana toa mitsapatsapa sy natao fanahy iniana ka somary manahirana be ihany ho an’ny sasany.

Koa raha ny votoatin’ny resaka dia ny fitandroana sy ny fiarovana ary ny fikolokoloana ny Aina izay fanomezana ambony indrindra no ifaharany, na dia tsy tsapan’y sasany aza izany. Satria raha ny lafiny maha olona fotsiny no jerena dia io fiarovana ny aina io no anton’ny fifankatiavana, fiombonana, firaisankina, fitisipika amam-pahalalam-pomba, ny dina sy ny fady izay fomba tsotra natao ho fampiharana ny Lalàna velona. Raha ny finoana no iaingana dia izany no antony ilantsika ny Famonjena avy amin’ny Tompo, ary izany dia raisina ao amin’ny Sakramenta fito, araka ny fomba ifandovàna, fa eo koa ny finoana mbamin’ireo fankalazàna samihafa, ka ny Eokaristia no faratampony amin’izany. Ireny dia manampy antsika mba hahazo ny tena Aina sy ny Fiainana Mandrakizay. Fehiny àry: mila ezaka lehibe ny fampianaram-pinoana sy ny fandalinana ny Katesizy, mbamin’ny Sekoly Alahady…

Dia faly miarahaba antsika rehetra vitasoan’ny Noely, ary dia mirary Taombaovao feno fiadanana sy haravoana ho anareo tsirairay avy.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...