Zava-dehibe ny fiatrehan’ny Fiangonana ny Konsily tao Roma, Lateranezy III (1179) izay niandian-kevitra momban’ny fakan’ny mpandraharaha masina sasany tambim-bola rehefa mizara Sakaramanta, ka navoaka ny lalàna ho entina manohitra ny «simonia» . Fanamelohana ireo Katary sy fandraràna ny hifampiraharaha amin’izy ireo. Ny Konsily tao Roma, Lateranezy IV (1215) no namaritra mazava tsara mikasika ny amin’ny Trinité Masina, ny fahariana, i Kristy Mpanavotra, ary ireo Sakramenta. Natao koa ny fanamelohana ny herezian’ireo Alibigezy sy Validezy, ary koa ny amin’ireo fampianaran-diso, izay nataon’i Joachim de Flore, momba ny Trinité Masina. Ny Konsily tao Lyon I (1245) kosa dia nanameloka an’i Frederika II. 

Nanao fanambaràna ny amin’ireo fomba sy fampianaran’ny Grika, dia: ny amin’ireo Sakramenta, ny maha ara-dalàna ny fanambadiana faharoa, ny Afofandiovana, ny Paradisa, ny Afobe. Ny Konsily tao Lyon II (1274) no nandinika ny amin’ny firaisan’ny Eglizy Grika amin’ny Roma. Nodinihina manokana ny hoe: «ny Fanahy Masina dia avy amin’ny Ray sy ny Zanaka», ary tena iray fiandohana. Nohazavaina misimisy kokoa ny amin’ny fiafaran’ireo fanahy aorian’ny fahafatesana, ny amin’ny Sakramenta 7 sy ny maha filoha faratampony ny Evekan’i Roma (Papa ray masina).

Manana ny lanjany hatrany ny Konsily, ary niezaka niaro ny zony ny Fiangoanana, ka mandraka ankehitriny dia hamafisiny hatrany ny tsy fankatoavany ireo mpanao politika mampanjaka ny tsy rariny, na aiza na aiza… Koa manao antso avo amin’ny Malagasy rehetra (ny Hono ho’ aho Mompera) fa samy tompon’andraikitra amin’ny tsy fahombiazana eto amin’ny Tany sy ny Firenena isika mianakavy, ka mila mibebeka ny tsirariaray, aoka hifampitsinjo sy hifampitsimbina, ary hanamafy ny fiombonana; hitandro ireo soatoavina: hiaro ny aina, hanatsara ny fomba fiasa sy ny fomba iainana ny fihavanana. Aok’izay ny samy maka ho azy, ary aoka hotsorina sy ho haoraina kokoa ireo fepetra sy fomba harahina, mba hahafahan’ireo vahiny sy mpanakarena mamorona asa sy manome tolotr’asa ho an’ny Malagasy.

Adidy ny miaro ny zatovo sy ny tanora amin’ny fihinanana sy fikasihana ireo zava-mahadomelina. Fokonolona miahy tena no tokony hajoro, ary mitaky fanavaozana Lalàm-panorenana miorina amin’ny marina, ka mitsinjo dieny mialoha ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny ao naty fahendrena sy fandanjalanjana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...