Ankehitriny dia betsaka ny zavatra manahirana ny olona ka manosika azy ireny hitady sy hila famonjena. Ny fady dia mifamatotra amin'ny lafim-piainan'ny malagasy, ary mifamatotra amin'ny fiainan'ny kristiana sy ny tanora izay samy mitady sy miandrandra fiadanana sy famonjena. Ny fiangonana anefa metetika no mirona manatsatso sy manameloka ireny fomba amam-panao sy fady ireny ho fomba mahadiso na mandika ireny ho finoanoam-poana. Ny fady dia zavatra na olona tsy azo tononina anarana na tsy kasihana ary tsy azo atao.

Ny fady sy ny fomba amam-panao dia hadikan'ireo mpitondra fivavahana sasany ho finoana avy amin'ny devoly ; ireo manampahaizana tandrefana ihany koa dia milaza fa fomba misakana ny fampandrosoana ireny. Hoy itompokolahy P. Adolph : tsy omena tsiny akory ireo misiônera nihevitra izany tamin'ny fitandroana ny amin'ny finoana kristiana. Ankehitriny dia tsy azo atao "safo be mantsina" ny mikasika ny fady fa tsy maintsy dinihana ny fanatanterahana ny fady. Misy antony hatrany ireny fady ireny ary tokony ho fantarina ny loharanony, inona no vokany amin'ny lafiny ara-piaraha-monina sy ara-pinoana.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...