Zava-dehibe ny ezaka ho fampanjakàna ny rariny eo amin'ny fiainan'ny olona tsirairay, manampy antsika ny lalàna sy ireny asa-soratra isan-karazana ireny. Ny mikasika ny asa dia tokony hatao am-pitiavana sy araka ny lalàna, ka ny toe-tsaina maha mpiasa marina no omena lanja. Ny fanampiana ny olona amin'ny fijoroana amin'ny finoana no ezaka tsy maintsy himasoan'ny mpitondra fivavahana mba hampanjakàna ny rariny.

Ny fanorohana ny ôtely dia mariky ny fisian'i Kristy ao anatin'ny fiangonana ; raisin'ny pretra amin'ny alalan'ny fanorohana ny ôtely ny herin'i Kristy ary tonga ivon'ny fangalazana ny pretra aorin'io fihetsika io, izy izay solon-tenan'i Jesoa Kristy. Ny fihetsika manoroka ny ôtely dia fanomezam-boninahitra an'i Jesoa kristy ; efa tamin'ny taon-jato faha-4 no nisian'izany izay hatao amin'ny fanombohan'ny Lamesa sy amin'ny famaranana.

Ny fihetsika rehefa amin'ny fanomezam-piadanana dia fihetsika maneho am-pahibemaso fa mihavana, ary samy manana ny fihetsika hataony ny kristiana, ao ireo mifamihina, mifandray tanana.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...