I Masimbavy Agathe no tsaroana ny 05 febroary. Zanak'olona mpanan-karena sy avo razana, kristianina tao Catane (Sicile) i Agathe. Niaina tamin'ny fotoana nanjakan'ny Amperora Dèce tamin'ny taonjato fahatelo izy. Mbola kely izy dia efa nivoady ny tsy hanambady.

Tovovavy bikana sy tsara tarehy i Agathe ary nisy manam-boninahitra romanina antsoina hoe Quintien nitsiriritra izany hatsarany izany. Noararaotin'io ny fanenjehana kristianina nataon'ny Amperora mba hisamborana azy sy ny nandefasana azy tany amin'ireo mpivaro-tena mba hakana fanahy azy: narovany hatramin'ny farany anefa ny fahavirjininy. Nentina hotsaraina izy, ary tamin'izany no nadavany ny hanao sorona amin'ireo andriamanitry ny mpanompo sampy. Nohelohina hampijaliana izy ka notapahana tamin'ny tandramokotra ny nonony roa. Ny alin'io anefa dia namangy azy i Masindahy Pierre ary nanasitrana ny feriny. Nasaina nandeha teo ambony vain'afo sy vakim-pitaratra indray izy ary nisy horohoron-tany tamin'izay ka niangavy an'i Quintien ny vahoaka mba hanafaka ity tovovavy ity. Naverina tany am-ponja izy, ary tao izy no maty teo amin'ny fitiavam-bavaka sy ny hiakam-pifaliana nisaorany an'Andriamanitra talohan'ny nialany aina satria dia nianjera taminy ilay trano namonjana azy vokatry ny horohoron-tany. Ny taona 251 moa io taona nahafatesany io.

Rehefa nitsingerina ny andro nanaovana martiry azy, nipoaka ny volkano Etna, nihorohoro ireo tsy mpino ka lasa nibebaka. Nanaja fatratra an'i Agathe ny tao Catane sy Palerme ary nanao azy ho olomasina mpiaro. Niitatra vetivety izany fanajana azy izny ny taonjato fahefatra ka tonga hatrany Italie, France, Espagne ary Allemagne. Ny papa Symmaque dia nanorina basilique iray mitondra ny anarany sy fiangonana roa hafa ao Roma. Io papa io moa dia nitondra ny Fiangonana ny taona 498 hatramin'ny taona 514.

Tamin'ny Moyen-Age indray dia tsy latsaky ny 12 ny trano fiangonana teo ambany fiarovany tao Roma, isan'ny malaza amin'izany ny fiangonana tranainy Sainte-Agathe-des-Goths sy Sainte-Agathe-du-Trastevere. Marihana fa voatanisa ao amin'ny "canon romain" mandritra ny Sorona Masina i Masimbavy Agathe ao aorian'i Félicité sy i Perpétue, izany hoe alohan'i Lucie sy Agnès, Cécile sy Anastasie.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...