07 marsa — I Perpétue sy Félicité dia martiry afrikanina voalohany voarakitra an-tsoratra ny namonoana azy. I Perpétue dia "patricienne" fa i Félicité kosa dia andevo. Nangataka hatao batemy tamin'ny eveka tao Carthage izy roa ireo.

Tamin'izany fotoana izany mantsy dia noraran'ny Amperora Septime Sévère ny fivavahana kristianina. Maro izy ireo no nihomana handray ny batemy ka nosamborina niaraka tamin'i Sature, Saturnin, Revocat sy Secondule. Nampidirina am-ponja izy ireo ary nampijaliana ka nentina tany Tebourba. I Félicité moa tamin'izany bevohoka fa i Perpétue kosa nanan-janaka kely mbola minono ka nandritra ny nitondrana azy tamin'izany toerana izany dia nofatorana rojo izy mitrotro ny zanany mbola minono ary napetraka tao amin'ny fonja tao Byrsa. Tamin'izay fotoana izay indrindra ny rain'i Perpétue no niangavy azy mba handà ny finoana an'Andriamanitra mba ho fitsinjovana ny ho avin'ity zaza ity. Tsy nanaiky anefa i Perpétue fa ny vavaka ihany no nataony betsaka.

I Félicité indray dia tany am-ponja no niteraka ny zanany, satria araka ny lalana dia tsy maintsy andrasana ny ahaterahan'ny zaza vao azo vonoina izy. Telo andro taorian'ny nahaterahan'ny zanak'i Félicité àry dia nohelohina homena ny biby masiaka izy ireo ka nentina teny amin'ny sehatra fanaovana izany, teo afovoan'ny vahoaka marobe nanompa azy ireo. Naranty teo izy ireo izay nofonosina harato ka nomena hoviravirain'ireo biby. Araka ny filazan'ireo nahita tamin'izany, voasoratra tao amin'ny Acta mitantara ny namonoana azy ireo dia izo no zavatra niseho. Namiratra ny endrik'izy ireo ary nitafy hatsarana tsy mba nisy tahotra fa hafaliana no nameno ny tavany. Hita ihany koa fa natahotra azy ireo ilay omby masiaka ka tsy sahy namono azy akory hany ka tsy maintsy olona no nanatanterka ilay asa ratsy tsy tian'ny biby hatao. 07 marsa 203 io andro namonoana azy ireo io.

Tsy naharitra ela akory fa vetivety dia niparitaka ny fanajana ireo olomasina roa ireo, dia i Félicité sy Perpétue izany, ka ny hatanorany, ny maha renim-pianakaviana azy, ny herim-po nananany no tena nanajan'ny olona azy sy ohatra fakan-tahaka ho an'ny kristianina tamin'ny fiainan'izy ireo. Marihana fa ny reliques an'i Masimbavy Perpétue dia nafindra tany Roma tamin'ny taona 439 avy eo nafindran'ny Arsevekan'i Bourges tany amin'ny trano fitokana-monina tao Sèvres tamin'ny taona 843 tao amin'ny Saint-Georges-sur-la-Prée. Rehefa norobain'ny Mormons io trano io dia nafindra tany Vierzon tamin'ny 926. Ary nanomboka tamin'ny taona 1807 ka hatramin'izao dia ao amin'ny fiangonana Notre-Dame de Vierzon no misy io reliques io. Izy no olomasina mpiaro ity tanana ity, ary antsoina ihany koa izy hiaro ireo andiana biby fiompy. Isan-taona, ny alahady manakaiky ny 07 marsa dia misy ny fivahinianana masina atao ao Vierzon izay karakarain'ny Fraternité Sainte Perpétue.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...