Tamin’izany andro izany, nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely. I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe : "Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda." Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe : "Noho isika tsy manana mofo izay." Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy : "Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo ? Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo ? Donto ny fonareo ? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo ? ary manan-tsofina fa tsy mahare ? Ary tsy mahatadidy va ianareo ? Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo ?" Dia hoy ireo taminy hoe : "Roa ambin’ny folo." Dia hoy i Jesoa : "Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo ?" Hoy ireo hoe : "Fito." Dia hoy Izy taminy : "Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...