• Niditra an-tsehatra namaha ny olan'ireo mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena ny Kolonely Gervais Andriamiarisoa, Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Nifampitsapa hery teny Analakely androany, ireo mpomba sy mpanohitra ny fanesorana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa... • Niroso amin'ny famahana ny olan'ny angovo eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny fitondram-panjakana...

♦ Saika hiditra an-keriny ny Lapan'ny tanàna eny Analakely ny avy amin'ny HOPE-Ami, mitaky ny hialàn'ny Ben'ny tanàna. Raikitra ny fifandonana teny an-toerana ny antoandro teo... ♦ Niverina nidina an-dalam-be indray ireo mpianatry ny sekolim-panjakàna sasany ao an-drenivohitra. Nilaza ireo mpampianatra mitokona fa tsy misy idiran'izy ireo izao hetsiky ny mpianatra izao... ♦ Mahazo vahana ny fitokonan'ny mpampianatra amina Faritra maro. Mbola mampiato ny fampianarana amin'ny Sekolim-panjakàna izy ireo nanomboka omaly... ♦ Ahitàna fihenàna betsaka ny famotehana sy fitrandrahana ala any Brésil...

Rainandriamampandry dia olomangam-pirenena tena tia tanindrazana. Rabezandriny no tena anarany fa amin'ny fiaraha-monina anefa dia matetika takona ao ambadiky ny anaran-janaka ny anaran'ny ray, izy moa nanana zanaka natao hoe Andriamampandry raha teo. Rainandriamampandry dia evanjelistra, mpampianatra, mpahay tantara sy jeografia ary mpikaroka momba ny teny sy ny kolontsaina. Ity olomangam-pirenena ity dia efa governora tao Toamasina, izay vavahadin'i Madagasikara sy renivohitra diplômatika, mpitaritafika nampihaiky ny fahavalo izy, ary efa niandraikitra ny asan'ny ministry ny atitany...

♦ Nampanantsoina teto Madagasikara ny masoivoho Malagasy atsy amin'ny nosy Maorisy, noho ny raharaha Mamy Ravatomanga. Tsy marina ny filazàna ny amin'ny fametrahany fialàna hoy Andriamato Camille Vital, omaly... ♦ Nahery vaika indray ny hetsi-bahoaka fitakiana fanesorana Ben'ny Tanàna tato ho ato. Nametra-pialàna vokatr'izay hetsi-pitakiana izay omaly, ny Ben'ny Tanàna an'Ambalavao, Distrika Atsimondrano... ♦ Misy lasa mivadika fampanaovana asa mamoafady ny sasany amin'ireny orinasa manao "Call Center" eto Antananarivo ireny amin'izao. Mpiasa vitsivitsy no sahy nijoro vavolombelona tamin'izany...

• Nampanantsoin'ny fanjakana eto an-toerana, momba ny raharaha Mamy Ravatomanga, ny Masoivohon'i Madagasikara atsy Maurice. Nodisoin'Andriamatoa Camille Vital ny filazana fa nametra-pialana izy... • Nisy andian'olona nanao fihetsiketsehana indray teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany. Nilanja sora-baventy milaza ho tsy mila ny fanoloana ny Ben'ny Tananan'Antananarivo ho PDS, izy ireo... • Nidina an-dalambe sy nanao hetsika teny anoloanan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena androany, ireo mpianatry ny Sekolim-panjakana sasany ao an-drenivohitra. Nitaky ny hiverenan'ny fampianarana izy ireo...

♦ Nidina an-dalambe teny Analakely sy Anosy ireo ampahany amin'ny mpianatra amin'ireo sekolim-panjakàna ao an-drenivohitra mitaky ny hiverenan'ny fampianarana... ♦ Naharaisana vaovao sy akony ny zava-misy any amin'ny Oniversiten'Antsiranana... ♦ Mbola betsaka ireo orinasa eto Madagasikara no tsy mandoa ny latsak'evmoky ny mpiasa tokony harotsaka any amin'ny CNaPs, ho fitsinjovana ny fisotron-dronono... ♦ Tafakatra 20 farafahakeliny ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny horohorontany nitranga tany avaratr'i Afghanistan, tamin'ny alina...

♦ Nandray ireo solontenam-panjakàna tonga nanao fitsidihana tany Antsiranana omaly ireo andian'olona nanao fihetsiketsehana... ♦ Mizarazara ny hevitry ny mpampianatra sy ny sekoly manoloana ny toro-marika nomen'ny ministry ny fanabeazam-pirenena amin'ny hiverenan'ny fampianarana anio alatsinainy... ♦ Handraisana fepetra hentitra avokoa ireo rehetra nanao fanotorana tany, nanomboka ny taona 2022 nivoahan'ny didim-panjakàna mandrara izany... 

Ny litorjia manavao amin'ny fombafomba masina dia tsy manimba ny fomba litorjika manan-danja izay efa ao amin'ny Eglizy tatsinanana sy tandrefana fa manaja sy manampy amin'ny fanavaozana azy. Ny tanjon'ny Sacrosanctum Concilium dia ny hanavao ny litorjia mba ho fanehoana mazava ny misterin'i Kristy sy fandraisan'ny vahoaka anjara... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Alahady 02 novambra 2025 : Fahatsiarovana ny mpino nody mandry - Mbola hitsangan-ko velona ny maty ; Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an'izao tontolo izao. Ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona. Ny rindrim-be sy ny sakatsakana teo alohan'ny Zake tsy maintsy nosedrainy mba hahitany an'i Jesoa dia misy sy miseho amin'ny endriny hafa ankehitrin, eo amintsika, amin'ny endriny "valifaty, fialohanana, fitiavan-tena, kolikoly, tsy fandraisan'andraikitra, fahalainana, tsy fihainoana ny hafa, havonavona". Safidy miankina amintsika no afahana midify ireo rindrina ireo, ary ilàna finoana....

Adidin'ny Kristiana no mitondra am-bavaka ny fiainan'ny firenena sy ireo mpitondra, hahatontosa ny faniriana. Feno 35 taona amin'ity taona ity no nisehoan'i Masina Maria tao Anosivolakely, raha tsiahivina ny 10 novambra 1990 tamin'ny 8 ora alina no nanambarany ihany koa ireo loza hitranga hanjo ny Malagasy sy ny firenena, ary ny fomba hialàna amin'izany loza izany. I Masina Maria no vonjy ho antsika koa irariana ny hiarahantsika mivavaka, hiaraka amin'ireo havana efa nodimandry sy ilay Renin'Andriamanitra, hivavaka ho an'ny Malagasy sy ny fampandrosoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny Litorjia dia manana ny toerany eo amin'ny Eglizy, satria mampitombo hatrany ny fiainam-panahy kristiana eo amin'ny mpino. Kristy no miasa ao amin'ny Litorjia ; ny vahoaka rehetra mandray anjara mavitrika...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny mpino rehetra dia antsoina handray anjara mavitrika amin'ny litorjia. Vokatry ny "sacrosanctum Concilium" dia nampidirina ny fiteny teratany amin'ny litorjia, izay fanavoazana lalina ny Lamesa. Tanjona ny hanandratra sy hampiroborobo ny fiainam-panahy kristiana, hanamora ny fampiraisana ny Kristiana rehetra... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...