Tamin’izany andro izany, nifanena tamin’i Natanaely i Filipo dia nanao taminy hoe: "Efa hitanay Ilay voalazan’i Môizy tao amin’ny Lalàna, sy nambaran’ny Mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa avy any Nazareta." Ka hoy i Natanaely taminy: "Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta?" Dia hoy i Filipo taminy: "Avia, ary zahao." Nony nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa dia nilaza azy hoe: "Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka." Ka hoy i Natanaely taminy: "Ahoana no nahalalanao ahy?" Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako tao ambanin’ny aviavy ianao." Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: "Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely." Ary hoy i Jesoa taminy: "Mino ianao, satria nilazàko fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao." Dia hoy koa Izy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...