Tamin’izany andro izany, nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra, dia ny amin’izay lehibe aminy. Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe." Dia niteny i Joany nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy." Fa hoy i Jesoa taminy: "Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...