Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy: "Tany amin’ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin’izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: ‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo: ‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy itý mpitondratena itý, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.’ Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona, moa mba hahita finoana etý ambonin’ny tany Izy?"

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...