Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Jesoa i Pilaty nanao hoe: "Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?" Jesoa namaly hoe: "Anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa nilaza Ahy taminao?" Dia namaly i Pilaty nanao hoe: "Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?" Jesoa namaly hoe: "Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako; fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako". Dia hoy i Pilaty taminy: "Koa Mpanjaka izany Ianao?" Ary novalian’i Jesoa hoe: "Efa voalazanao: Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...