Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Hosamborina ianareo, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina, ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo. Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...