22 aprily — I Masindahy Alexandre dia martiry tao Lyon tamin'ny taona 177. Avy any Phrygie, any Asie Mineure i Alexandre, izany hoe i Turquie amin'izao fotoana izao. Mpitsabo tao Lyon izy. Navaivay mihitsy tamin'izany fotoana izany ny fanenjehana kristianina ka isan'ny voahenjika sy voaheloka tamin'izany i Alexandre.

I Eusèbe avy ao Césarée no nahalalana ny tantarany, tao amin''ilay boky fahadimy mitondra ny lohateny hoe Histoire ecclésiastique, ka taratasin'ny Fiangonana tao Lyon ho an'ny Fiangonana tany Asie sy Phrygie no mitantara izay nisamborana sy namonoana azy ho martiry izany. Araka ny voalazan'ity tantara ity àry, dia nisy kristianina maro voasambotra. Mbola tsy niaraka tamin'izy ireo i Alexandre, nisy fety koa tao an-tanana tamin'izay ary maro ny olona tonga amin'izany fety izany, ka nentin'ny governora ireto kristianina voasambotra ireto hotsaraina ary naseho toy ny olona hiantsehatra an-dapihazo. Nanontaniana teo imasom-bahoaka izy ireo raha handà ny finoana. Tamin'izay fotoana izay, nitsangana teny amin'ny sisin'ny fitsarana i Alexandre, izy rahateo fantatr'olona, nanao fihetsika nakahery ireo voapanga izy. Kanjo, nisy nahatsikaritra izany fihetsiny izany ka nosamborina niaraka tamin'i Epipode izy.

Araka ny notantarain'i Eusèbe ihany, dia nisy tamin'ireo voaheloka no notapahin-doha, ary nisy ihany koa ireo nomena hohanin'ny biby masiaka. Namabara fa navelan'izy ireo teo nandritra ny henemana ny vatana mangatsiakan'ireto martiry ireto. Avy eo, nodoran'ireo tsy mataho-tody ho lasa lavenona, ary natsipin'izy ireo tao amin'ny reniranon'i Rhône.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...