I Mompera Fabio Attard no voafidy ho dimbin’i Don Bosco faha-11, amin’ny fitantanana ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. Izy no heverin’ireo mpifidy miisa 220 tao amin’ny “Chapitre Général” fa manana ny fihiziana salezianina araka ny vanim-potoana ankehitriny. Fikambanana izay misy relijiozy miisa 13.750, miasa amin’ny provinsy 92, amin’ny kaontinanta dimy.

Mitatitra ny zava-misy avy any Valdocco, Turin, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben’ny Fikambananana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

I Mompera Fabio Attard izany no, mandimby an’i Mompera Ángel Fernández Artime, hitantana ny fikambanana Salezianin’i Don Bosco maneran-tany, mandritra ny enina taona. Fikambanana salezianina izay mifototra amin’ny fanabeazana ny tanora, indrindra fa ireo mahantra sy marefo, amin’ny firenena miisa 136, manerana an’izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...