16 jona — Teraka ny 31 janoary 1597 tao Fontcouverte, Aude i Jean-François Régis. Tsotra ireo ray aman-dreniny. Ary mbola kely izy dia efa niseho ho apôstôly raha izy nianatra tao amin’ny kolejin’ny jezoita tao Béziers. Teo amin’ny faha-19 taonany izy no niditra tao amin’ny noviciat tao Toulouse, ary modely ho an’ny mpianatra rehetra izy tao.

Ny taona 1630 i Régis no nohamasinina ho pretra. Nasehony tamin’ireo rahalahany tao amin’ny fikambanana ny hafanam-po sy ny zotom-pony ary ny fitiava-namana. Nahomby tokoa ny asa fitoriana voalohany nataony tao aorian’ny fanamasinana ho pretra izay nitety ny tendrombohitra Vivarais sy Velay ary indrindra indrindra rehefa ririnina ny andro satria amin’io ny mpiasa tsy mankany an-tsaha tao Tournant ary isaky ny alahady izy dia mitety ny tanana ary mampaneno ny lakolosy, manangona ny ankizy ary nampianariny katesizy sy ny fitadiavana an’i Jesoa Kristy. Nanjaka tao amin’io tanana io ny fimamoana sy ny fifanompana fa noravainy izany tamin’ny herin’ny teniny sy ny fandraisana sakramenta matetika. Tao Puy i Régis no nanorina toerana handraisana sy hanitsiana ireo tovovavy mpivarotena ary maro izy ireo no nibebaka. Izy ihany koa no nangataka tamin’ny manam-pahefana tao Toulouse mba hahafahan’ireo mponina mamokatra dentelles indray mba ho fitadiavam-bolan’izy ireo. Ny tena nimasoany dia ny fampianarana katesizy, ny fampibebahana sy ny mampikônfesy, mamangy ny mahantra, mampianatra sy mitory teny. Nahamenatra ny fianakaviany no nahita an’i François Régis mibaby ny kidoro ho an’ilay marary fa ny fibebahan’io no valisoa ho an’i Régis. Matetika izy no nijanona teo amin’ny trano fiangonana na ny trano fikônfesena tsy misakafo. Ny tena tanjom-piainany amin’izany dia ny famonjena ny fanahy. Ary nataony izany na dia manohintohina ny ainy aza.

Tamin’ny faran’ny taona 1640, volana desambra tamin’io, no nisy rivotra narahin-dranomandry dia mbola nankany Lalouvesc any Vivarais ihany i Régis mba hitory teny sy hampianatra ireo tanana kely tao. Nandany ora maro izy no nijanona tao amin’ny fiangonana, niharitra ny hatsika, nihaino sy nampiahavana ary nanome sakramenta. Ary tamin’izay ihany koa no nahazoany ny pneumonie ka nahatonga azy tsy tafarina teo am-padriana intsony. Ny 31 desambra 1640 izy no nodimandry nandritra izany hatsika lehibe izany. Feno ranomandry moa ny tanana ka dia tavela tany i Régis, tao aoriana rehefa haka ny razana ireo pretra avy any amin’ny tanan-dehibe dia tsy nomen’ny mponina izany ary lasa toerana fanaovana fivahinihanana masina tao amin’io teorana io hatramin’izay ka hatram’izao.

Ny papa Clément XII no nanambara an’i Jean-François Régis ho olomasina ny taona 1737. Tao aorian’ny revolisiona frantsay ny taonjato faha-19 dia nanao iraka tany amin’io toerana io i père Etienne Terme ary nanorina fikambanana relijiozy izy hanohana ny fiainan’ny kristianina tao Ardèche sy hikarakara ny mahantra dia ny Sœurs de Saint Régis. Nizara roa io taty aoriana ka ny iray misahana ny fanabeazana ny iray kosa lasa hoe Sœurs de Notre-Dame du Cénacle notantanan’i mère Thérèse Couderc mikarakara ny fivahinianana masina sy ny fihatahana masina ary ny laretirety, manampy ny olona hiray amin’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy nitia an’izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...