I Masindahy François de Sales no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 24 janoary toa izao. Teraka ny 21 aogositra 1567 tao Savoie avarat'i Annecy i François de Sales. Miaramila tao amin'ny tafika mpiaro an'i François Voalohany mpanjakan'i France ny rainy ary i Françoise Sionnaz no reniny.

Ny 28 aogositra 1567 izy no natao batemy. Nandritra ny enintaona dia notaizana sy nobeazin'ny fianakaviana katôlika izay izy ary vetivety dia efa nianatra ny fampiasana ny sabatra sy ny fitaingenana soavaly. Nianatra tao amin'ny kolejy tao Plain-Château (La Roche-sur-Foron) izy ary avy eo tao amin'ny kolejy tao Annecy. Ny taona 1577 izy no nandray voalohany ny Kômonio sy ny sakramentan'ny Fankaherezana. Nangataka ny ho pretra izy teo amin'ny faha-11 taonany fa nolavin'ny olona izany satria noheverin'ny fianakaviana fa hevitra mbola tsy matotra loatra.

Nalefan'ny rainy nianatra tany Paris izy mba handalina ny lalàna. Notohiziny tany Italie ny fianarany ka maro ny taranja nohalalininy tamin'izany:  ny rhétorique, ny filôzôfia, ny teôlôjia, ny fiteny latina, grika sy hebrio. Taorian'ny fianarany dia nahazo ny mari-pahaizana "Doctorat en droit civil et ecclésiatique" tao Padoue izy. Na dia efa nanomana asa sy vady ho azy àry ny rainy tao an-tanàna dia nambarany fa maniry ny ho pretra izy ka niditra tamin'ny fiainan-drelijiozy ny 10 mey 1593, ary nohamasinina ho pretra ny 18 desambra 1593.

Taorian'ny nanamasinana azy ho pretra dia nanaolo-tena teo anatrehan'ny eveka izy mba hamerina amin'ny finoana katôlika ireo olona tao Chablais izay nanaraka ny finoana nampianarin'i Calvin. Nambarany fa "amin'ny alalan'ny fitiavana no hanozongozonana ny rindrin'i Genève, ary tokony hiaina ny fitsipi-piainana kristianina isika fa tsy zanak'Andriamanitra anarany fotsiny fa hita amin'ny atao ihany koa". Notendrena ho eveka tao Genève àry izy, fa nonina tany Annecy. Lasa mpitantana am-panahy olona maro, ary anisan'izany ireo manam-boninahitra teo amin'ny fitondrana sy nanova ny rafi-pandaminan'ny Kônsilin'i Trente.

Olona malemy fanahy i François de Sales, madio fo, manana fahalalana lalina mikasika ny olombelona. Nampianatra ny olona rehetra hiroso amin'ny tena fitiavana sy ny faherezana mivavaka ka nasehony fa ny tena fototry ny fiainana ara-panahy dia ny fitiavan'Andriamanitra na ny hoe "théotime". Ary noho ireo toetra sy ny asa fanompoana nataony ireo no nahatonga an'i Don Bosco handray azy ho mpiaro manokana ny fikambanana izay naorina tamin'ny taona 1854 sy nampitondrainy ny anarany hoe Salezianina.

Tamin'ny fotoana nanaovany ny asa fitoriana tao Chablais dia norarana tsy hihaino ny fampianarany ny vahoaka noho ny hamaroan'ny calvinistes tao amin'izany toerana izany, izay nandà tsy hanatrika io fampianarana io. Natontan'i François de Sales printy tamin'ny taratasy ny fampianarany ary nataony peta-drindrina eran'ny tanàna sy nozarainy isam-baravarana. Tsapany fa fitaovam-pifandraisana mahomby izy ity, ary fomba vaovao tamin'izany fotoana izany. Noho izy nampiasa io fitaovam-pifandraisana io hahomby amin'ny fampielezan-kevitra no nahatonga ny Fiangonana hifidy an'i François de Sales ho mpiaro ny mpanao gazety sy ny mpanoratra.

I François de Sales ihany koa no nanorina ny fikambanana Ordre de la Visitation niaraka tamin'i Masimbavy Jeanne de Chantal. Nodimandry tao Lyon izy ny 28 desambra 1622. Ny 24 janoary 1623 no nafindra tany Annecy ny taolam-balony ka nahatonga ny fankalazana azy ho amin'ity daty ity. Ny taona 1661 izy no nasandratra ho olontsambatra ary nambara fa olomasina ny taona 1665. Nomen'ny Papa Pie IX laharana maha Mpampianatry ny Finagonana izy ny taona 1877.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...