11 aogositra — Teraka tamin’ny 16 jolay 1194 tao Assise i Claire. Zanak’olona manam-boninahitra sy manan-katao fanta-daza tao an-tanana izy. Voaroaka tao an-tanana izy ireo tamin’ny taona 1198 ka nialokaloka tany amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny ihany.

Tamin’ny taona 1211 raha naheno ny toritenin’i Masindahy François d’Assise tao amin’ny katedraly saint Rufin izy, izay naharesy lahatra azy tanteraka ny fiainana ny fahantrana ara-panahy araka ny Vaovao Mahafaly, dia nanapa-kevitra fa handà ny fiainan’izao tontolo izao ka hanara-dia an’i Jesoa Kristy, dia nifidy azy ihany koa ho mpanoro lalana eo amin’ny fiainana. Ny alin’ny alahadin’ny sampakazo ny 20 martsa 1212 àry, nandao ny tranon’ny ray aman-dreniny tsy niteniteny i Claire. Nankany amin’ny François tao sainte Marie de Portioncule izy, izay nanaovany ny fihanihanana ny hanara-dia an’i Kristy mahantra. Nentin’i François tany amin’ny bénédictines de saint Paul izy ary nijanona tao. Nomen’i François ny fanamiana ary notapahana ny volony mba ho mariky ny fandavana ny fiainan’izao tontolo izao. Nanohitra ny hatezeran-drainy izy izay saika hitondra azy hody, fa taty aoriana anefa dia tonga nanatevin-daharana azy ny rahavaviny antsoina hoe Agnès.

Ny faran’ny volana avrily 1212 dia napetrak’i François teo akaikin’ny chapelle saint Damien izy ireo, teo ambany fitarihan’i Claire izay tsy maintsy nanaiky izany fiantsoana azy ho lehibe izany na dia tsy tiany aza izany. Nankinina taminy ihany koa ny fitsipi-piainana izay nalaina avy amin’ny an’ny Frera madinika na ireo antsointsika hoe Frères mineurs, ka teo no nahaterahan’ny fikambanana “Ordre des pauvres dames” na “Clarisse” no ahalalantsika azy amin’izao fotoana izao. Tao aorian’ny nahafatesan’i François dia maro ireo naniry azy ny hikarakara ny fananan-tany, eny fa na dia hatramin’ireo kardinaly aza, nefa niaro tena hatramin’ny farany i Claire tsy hanao izany, satria efa nifidy ny fiainana mahantra.

Ny 16 jolay 1252 nankatoavin’ny kardinaly Raynald ny fitsipi-piainana. Ny faran’ny volana jolay 1253, raha niady aina iny i Claire, no novangian’ny papa Innocent IV ary ny 09 aogositra no nankatoaviny ny fitsipi-piainan’ny “Ordre des pauvres dames”. Roa andro tao aorian’io dia nodimandry i Claire, izany hoe ny 11 aogositra 1253, teo amin’ny faha-59 taonany izany. Nanatrika ny fandevenana azy ny papa Innocent IV ka ny 26 septambra 1255, roa taona tao aorian’izay ny papa Alexandre IV no nanandratra azy ho olomasina tao amin’ny katedraly tao Sainte Marie Anagni. Ny 03 oktobra 1260 nafindra tao amin’ny chapelle saint Georges ny relikian’i Masimbavy Claire. Nambara fa mpiaro ny fahita lavitra maneran-tany izy araka ny fanambarana nataon’ny papa Pie XII ny taona 1958. Misy bazilika mitondra ny anaran’i Masimbavy Claire ao Assise.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...