02 nôvambra — Tsy andro fisaonana akory ny 02 nôvambra, fa natokana hivavahana ho an'ny fanahin'ireo havantsika efa nodimandry. Misy mantsy ny fanahin'izy ireo izay niala teto amin'ity tany ity, dia mbola mety tsy migoka ny hasambarana any an-danitra fa mety mbola any amin'ny afo fandiovana.

Tany am-paindohana, ny fahatsiarovana ny maty dia vavaka, nangatahana tamin'Andriamanitra mba hanafaka na hanamaivana ny fijalian'ireo fanahy ao amin'ny afo fandiovana. Tany amin'ny taonjato voalohany tany dia vavaka, Sorona Masina no natolotra ho an'ireo nodimandry. Ny vavaka milaza manokana izany ao amin'ny fombam-pivavahana moa dia hita tany amin'ny taonjato fahasivy tany, ka i Amalaire, diakra, izay lasa Abbé tao Metz no nilaza izany tao amin'ilay boky hoe : "De ecclesiasticis officiis" tamin'ny taona 820. Ny taona 998, i Odilon, Abbé tao Cluny no nanokana ny 02 nôvambra ho andro fahatsiarovana ny mpino efa nodimandry. Ny papa Léon IX indray tamin'ny taonjato faha-iraka ambin'ny folo no nankato io fanapahan-kevitra io, dia neily eran'izao tontolo izao izany fankalazana izany. Tamin'ny taonjato fahatelo ambin'ny folo no nampidirina tao amin'ny fombam-pivavahana romana io fankalazana io, ka tonga fetin'ny Fiangonana maneran-tany. Raha tsaroana ny maty dia mankalaza fety ny velona, hanehoan'ny Fiangonana ny finoana amin'ny tsy maha mety maty ny fanahy. Ny vavaka ho an'ny maty mariky ny fanantenana ny fiainana any an-koatra.

Marihana fa ambaran'ny fampianaran'ny Fiangonana ao amin'ny Kônsily Faharoa an'i Vatikana ao amin'ilay hoe "Fiangonana fahazavan'izao tontolo izao", ny momba ity fahatsiarovana ny maty ity. Izao no voalaza ao : "Rehefa ho avy am-boninahitra ny Zanakolona, otronin'ny anjely rehetra, ary ny fahafatesana no fahavalo horesena fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny eo ambanin'ny tongony, ny sasany amin'ireo ; dia hanohy ny fivahinianana ety an-tany ; ary ny sasany izay namarana ny fiainany, dia mbola hidio ; ny sasany kosa ho eo amin'ny voninahitra hibanjina amin'ny hazavana feno toa an'Andriamanitra Tokana Olona Telo". Izay no voalaza ao amin'ny fampianaran'ny Fiangonana. Fa isika ihany koa, mivavaka ho an'ny fahafahan'ny fanahin'ireo nodimandry, araka ny voalaza ao amin'ny boky faharoan'i Makabeo hoe : "Izany no nanaovany izany sorona fanonerana izany ho an'ny maty, mba ho afaka ny fahotany izy ireo". Koa raha mivavaka ho an'ny maty isika dia maneho ny fitiavantsika ireo havantsika efa nodimandry, ka ny finoana no manentana izany fitiavana izany ao anatintsika ao. Ny hany ataontsika dia ny mino ny herin'izany vavaka izany. Olona tiantsika tety an-tany ireo nodimandry ireo ka mbola mitoetra ao amintsika ny fitiavana azy, ary iza no angatahantsika vavaka amin'Andriamanitra mba hanafahana ny fanahin'izy ireo hahazo ny hasambarana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...