07 nôvambra — Teraka tao Steisslingen, Allemagne i Ernest, ary mbola tanora izy no niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Zwiefalten tao amin'ny farihin'i Constance. Nitantana io trano fitokana-monina io izy ny taona 1141 ka hatramin'ny taona 1146.

Trano fitokana-monina nahitana lehilahy sy vehivavy niara-monina no nisy an'i Ernest tamin'izany fotoana izany. Io ilay antsoina hoe "abbaye mixte" ka nahitana relijiozy lahy na ilay antsoina hoe "religieux du coeur", enipolo ; ary nisy frera ihany koa, telopolo amby zato. Dia nahitana relijiozy vavy fitopolo. Noho ny fanentanana nataon'i Masindahy Bernard, mba handray anjara amin'ny ady faharoa ho an'ny Tany masina dia niala tao amin'ny fikambanana i Ernest mba handeha hitory tany amin'io ady ho an'ny Tany masina io, izay notarihan'ny amperora Conrad III ny andin-tafika tamin'izany. Mila olona hankahery azy amin'ny sedra rehetra sy ny karazan'olana maro eny an-dalana ireo mpiantafika ka nanapa-kevitra ny papa Eugène III fa i Ernest no ho mpitarika ireo iraka tamin'izany. Hoy i Ernest, raha handao ireo rahalahiny tao amin'ny fikambanana izy : "Tsy mampaninona ahy izay fahafatesana miandry, raha mijaly ho an'ny fitiavana an'i Kristy aho".

Dia nitory teny tany amin'iny faritry ny silamo iny àry, i Ernest, iny faritr'i Arabie sy i Perse iny. Fa tao aoriana kelin'izay dia nosamborin'ireo silamo izy ka nogadrainy, ary nentiny tany La Mecque, ary nodrokidrokiany mba hivadika silamo, nefa nandà mafy ka nampijalian'izy ireo sy novonoiny, ary tsy tonga tany Jerosalema, tanana masina, akory. Tamin'ny taona 1147 moa izany. Marihana fa nandritra ny fotoana nampijaliana azy, dia nankahery ireo mpanara-dia azy, hifikitra amin'ny finoana an'i Jesoa Kristy hatrany, i Ernest. Ny sary hamantarana azy raha sendra mijery ireny sarin'olomasina ireny dia lehilahy, nahantona amin'ny tanany amin'ny hazofijaliana, ary notapahana ny tongony.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...