I Masimbavy Prisca no tsaroana ny 18 janoary. Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Prisca, zanak'andriana izy io. Teo amin'ny faha-13 taonany izy no nenjehina fa hoe kristianina. Ny Amperora Claudius no nanjaka tamin'izany ary nanenjika ny fivavahana kristianina.
Nobaikona hanolotra sorona amin'ny Apollon i Prisca, fa tsy nanaiky satria kristianina izy. Noho io fandavany io dia nampijaliana izy, nokapohana ary nalefa an-tranomaizina. Vao tafavoaka ny tranomaizina anefa izy dia nanamafy am-pahamatorana indray ny finoany an'i Jesoa Kristy. Tamin'izayapoka may sy fandorana tamin'ny menaka no saziny ary naiditra am-ponja indray izy. Natsipy hoanin'ny liona i Prisca nefa nam-pilaminana teo an-tongony ilay biby izay noheverina ho masiaka.
Mosarena nandritra ny telo andro tao amin'ilay fonja ho an'ny andevo i Prisca ary nampijaliana tamin'ny vy. Nendahina ty farango vy ny nofony ary natsipy tao anaty afo izy. Tsy nahafaty azy anefa izany ka notapahan'izy ireo tao Ostie ny lohany. Ny kristianina no nandevina an'i Prisca tao amin'ny fasan'i Priscille tao Aventin. Voalaza fa i Prisca no olomasina vehivavy voalohany avy amin'ny Fiangonana Tandrefana. Nijoro ho vavolombelon'ny finoana an'i Kristy ka lasa martiry.