Tafiditra ao anatin'ny fifampiresahana ny "fahanginana" amin'ny fotoana sasany, ka ny fitoniana dia manampy betsaka amin'ny fifampiresahana. Tsy voatery hitovy hevitra avokoa ny fianakaviana miray trano. Harena ny tsy fitovian-kevitra mba hisian'ny fivelarana marina eo amin'ny fiainana sy hahitana ny lalana tokony hizorana. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.

Mila ianarana ny fifampiresahana ao an-tokantrano, sao manao fifampiresahan'ny samy marenina ka ny azy ihany no asesitsesika fa ny an'ny hafa tsy re na oviana na oviana. Tsy mety raha mba miresaka nefa ny anao ihany no tiana apetraka sy tanterahan'ny hafa. Tsy mety ny resaka miafara amin'ny ady saritaka. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.

Sarobidy sy masina ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny fianakaviana iray, satria mamaha olana maro eo amin'ny mpivady ary miteraka fiombonana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny. "Mpifankatia tsy miresaha hono very ny androatokom-pitiavana". Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.

Tiana ny zanaka ka atao izay hahatsapany ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ao an-tokantrano sy y lanjan'ny namana. Mila mianatra mandanjalanja sy mahay manavaka ny namana tsara sy ny naman-dratsy ny zanaka. Hajaina ny safidin'ny zanaka mba hitomboany ary mba hahaleo tena izy. Ankaherezina ny ankizy fa tsy disoina raha misy tsy takan'ny sainy. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...