Tsy mijanona amin'ny asa fiantrana fotsiny ny Papa fa miatrika ny maha-olona ny olona. Antitrnterin'ny Eglizy hatrany fa mifandray ny fitiava-namana sy ny rariny. Rehefa manome ny mahantra ny zavatra tena ilainy isika dia tsy hoe fanomezana manokana avy amintsika no omentsika azy fa azy ihany no averintsika aminy. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Niandany tamin'ny mahantra i Jesoa, ary ankinin'i Jesoa amintsika ny fikarakarana ny mahantra izay hitsarana antsika any am-parany. Ny tsy mampandray anjara ny mahantra amin'ny fananany manokana dia mangalatra amin'izy ireo sy manala amin'izy ireo ny Ainy satria tsy ny fananantsika no tazomintsika fa ny azy ireo. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny mahantra dia ireo izay ahiliky ny fiaraha-monina, ireo tsy afa-mandroso araka ny tokony hoy izy. Ankehitriny ny fitiavana manokana ny mahantra dia mipaka hatrany amin'ireo vahoaka be tsy hita noanoa : noana, fadiranovana, tsy manan-kialofana, tsy afa-mitsabo, ireo kivy sy milaza ho resy. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny zavatra ananan'ny olona ara-drariny dia tsy tokony ho tazominy ho azy samirery na oviana na oviana, fa tokony ho heveriny hoe hiombonana amin'ny hafa. Izany hoe tsy tokony ho izy irery no hahazo tombotsoa amin'izany fa ny hafa ihany koa. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...