Mila toriana an-kafaliana ny Vaovao Mahafaly ary hafaliana vokatry ny fiombonan'aina amin'i Kristy. Mora tsikaritr'ireo itoriana ny Evanjely ary mifindra amin'izy ireo ny hafaliana. Manampy ireo mpitory tsy hihemotra amin'ny sedra isan-karazany ny hafaliana. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Mila fahasahiana ny fitoriana an'i Jesoa Kristy. Matetika isika no matahotra ny manolotra an'i Kristy. Tsy azo atao tsirambina ny fandraisana ny Fanahy Masina eo am-panatnterahana ny asa-pitoriana satria Izy no manokatra ny fon'ireo hitoriana ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Manoro antsika santionany amin'ny fomba fitoriana ny Evanjely i Md Lioka, araka izay voalazany ao amin'ny Lk 10, 1-11, "Mila toriana haingana sy hatraiza hatraiza ny hafatr'i kristy hoy izy ka mila mailaka aoka izany ireo Mpitory...". Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Endrika isehoan'ny fahazotoantsika hanara-dia an'i Jesoa Kristy ny fanatanterahana ny asa-pitoriana ny Vaovao Mahafaly. Vokatry ny fiantsoan'Andriamanitra ny asa fitorianany Vaovao Mahafaly. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...