Ny asan'Andriamanitra izay efa nomaniny mialoha dia tanteraka amin'ny fitiavana mifamaly. "Samia ihany mandeha araka ny anjara nomen'ny Tompo azy avy, sy araka ny niantson'Andriamanitra azy avy" (Kor 7, 17). Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Maro ireo voaantso hanorina sy hiaina fiainam-pianakaviana. Ny fiombonan'ny mpivady dia efa asan'Andriamanitra sahady : "aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'olombelona" (Mt 19,6). Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Tsy asa fivelomana ny antso maha pretra, fa hitakiana fahaiza-manompo : fahaizana manaiky, folahana ny sitrapo hanaiky ny fanompoana izany hoe tia ny vahoaka an'Andriamanitra. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Anjara toeran'ny mpanabe eo amin'ny fandanjalanjana ny antso : Mitaratra ny fiainam-panahy, fiaraha-monina, fahalalana ary fahasalamana. Tombanana mba hirindra tsara ireo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco