Miantefa amin'ny ray aman-dreny, mpampianatra, ary mpanabe ny antso ; aza avela hiaina irery ao anatin'ny tsy fahalalana sy ny fisalasalana ny tanorantsika fa ampio ary henoy. Ny fanalan-jaza dia famonoana olona an-kitsirano izao ; aza mirona amin'io fihetsika mamoafady io. Mety hamingotra ny aina ny fanalan-jaza satria ohatra vehivavy iray amin'ny 25 no maty, teo am-panalan-jaza tao amin'ny Maternité Befelatanana tamin'ny 1997. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Ny fanomezana tsara indindra amin'ny fanambadiana dia ny zanaka, tsy zo takina ny zanaka fa fanomezana. Tsy azo heverina ho toy ny fananan-javatra manokana ny zanaka, sao amin'izany no hitarika fanamarinam-piamboana fa zo ny hanan-janaka. Ny hanambadiana hiterahana, nataon'Andriamanitra lahy sy vavy ny olombelona hameno ny tany, mba ho maro fara ary hiha betsaka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Misy dingana samihafa ny fiforonan'ny zaza ao am-bohoka ara-tsiansa manomboka eo amin'ny fihaonan'ny tsirinain'ny lehilahy sy ny vehivavy ka hatramin'ny fahatelovolan'ny kibo dia antsoina hoe "embryon" ilay zaza. Mbola ao am-bohoka ny zaza dia efa fantatr'Andriamanitra, rehefa mihaona ny tsirinaina lahy sy tsirinaina vavy dia olombelona no miforona ao amin'iny fotoana iny. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Ny firenena izay manaiky ny fanalan-jaza ho ara-dalàna dia tsy mba firenena hampianatra ny olona ao aminy hitia, fa manome lanja ny herisetra mba hahazahoana izay ilainy. Izany no mahatonga ny fanalan-jaza ho fitaovana iray mamotika ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana eto an-tany. Na mbola tsy äry tongotra sy tanana azy ny atody ao ankibon'ny vehivavy dia efa aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco