Raha raisina amin'ny maha kristianina ny teny hoe "méditer" dia manana ny heviny manokana tsy azo vonoana. "Méditer" dia tena ilain'ny maha olona rehetra, fa manana dikany lalindalina kokoa izay teny izay raha raisina amin'ny maha kristianina. I Jesoa Kristy no lalana ary Izy no ianarana rehefa manao "méditation". Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
Mila kaliana sy tandremana tsara ny fanaovana ny "méditation". Mila mitandrina tsara satria betsaka loatra ny karazam-pivavahana no miresaka momba azy io ary manao fampiharana. Mazàna ny "médiation" fanaon'ny tandrefana no tena maro mpanao, faniriana hahita fiadanam-po, satria eritreretina hanangonana hery, hitondra herim-po hiatrehana ny hitakitaka tsinahy, ny ankivy... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco