Ny fianarana mifehy tena dia fahaiza-manao tena ilaina amin'ny fandraisana anjara amin'ny fampivoarana ny tena manokana sy ny fisorohana ny fitondran-tena mampidi-doza ateraky ny zava-mahadomelina. Amporisihina ny tsirairay mba hanao laharam-pahemehana sy hiady amin'ny hakamoana ka hampiasa ny fotoanany amin'ny fomba mahomby, ireo dia toe-tsaina tokony hovolena hiadiana amin'ny zava-mahadomelina. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Mila mandray andraikitra ny Fanjakàna amin'ny fametrahana paik'ady mahomby sy fomba hentitra hoenti-miady amin'ny fanondranana an-tsokosoko sy fiparitahan'ireny zava-mahadomelina ireny. Mila mametraka ny lalàna mifehy ny famokarana sy ny famarotana ny zava-mahadomelina ny Fanjakàna. Mila omena loharanon-karena hafa ny mpikirakira zava-mahadomelina mba handaozany ireo vokatra tsy ara-dalàna ireo. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny fianakaviana dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanafahana ny olona iray amin'ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Ilaina ny fahaiza-mihaino malalaka sy mavitrika ary tsy mitsara an'ireo izay tafalatsaka amin'ny zava-mahadomelina. Ny sekoly dia manana anjara amin'ny fitsaboana sy fanohanana ireo tratry ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina, fa indrindra ny fisorohana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ny fiangonana dia tsy manaiky ny fanalalahana ny zava-mahadomelina malefa, tokony beazina ny feon'ny fieritreretantsika tsirairay amin'ny alalan'ny fivavahana sy fandinihana isan'andro. Tanjon'ny fiangonana ny hanabe sy hanentana ny mpikambana ao aminy sy ny fiaraha-monina mikasika ny loza ateraky ny zava-mahadomelina, manome fanohanana ara-panahy, mifanampy amin'ny fikambanana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco