Tian'Andriamanitra ny hanome namana ny olombelona, hiara-hiaina amin'ny araka izany. Tsy maintsy mifankatia mba ho afaka hiara-hiaina toa ny Trinite Masina, izany hoe miaina ny fitiavan'Andriamanitra. Efa nomen'Andriamanitra antsika ny fitiavana, tokony ho fantarany kosa ny fotoana hamohazana azy, sy ny hanorenana tokan-trano. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Tsy zavatra ratsy akory izany hoe latsa-pitiavana na raiki-pitia amin'ny olona izany. Anisan'ny singa maha-olona ny olona ny fananana fitiavana. Voalaza ao amin'ny Jenezy 2, 8 : tsy tsara raha irery ny olona, ka handeha hanaovako mpanampy mitovy aminy. Ny olona amin'ny maha manan-tsaina azy dia tompon'andraikitra feno amin'ny fahaizanaé mifehy ny fihetsem-pony. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Ny atao hoe fitiavana dia lasa raiki-pitia amin'ny olona iray ary manomboka mahatsapa ho voasarika aminy. Io fitenenana io dia mamaritra ny toe-pontsika, rehefa manomboka mahazo antsika ireo fihetsem-po mahamamo ireo. Tsy miresaka momba an'io foto-kevitra io ny Baiboly fa miresaka momba ny fitiavana. Ny Baiboly dia maneho fa ny fitiavana dia tsy fihetseham-po fotsiny fa safidy. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Zava-dehibe ny fifantohana sy ny fihainoana. Voalaza ao amin'ny Lioka 6, 40 : "ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tsara ofana ihany no toa ny mpampianatra azy". Anisan'ny fampianarana manan-danja atoron'ny Baiboly ho an'ireo mpianatra, hanampy azy hiatrika ny ho aviny dia ny fahaizana manara-dalàna. Mila mametraka lalàna ho an'ny tenany ny tsirairay. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco