Noho ny finoana ny Pakan'i Jesoa Kristy dia tratra ary feno ny soa iombonana tapitrohatra satria tokoa ao amin'ny Pakan'i Kristy no manazava tanteraka ny fahatanterahan'ilay tena soa iombonana marina ho an'ny taranak'olombelona. Tian'Andriamanitra ny olombelona ka antony namonjeny ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka ary izay no naneken'i Jesoa hijaly sy hitsanga-ko velona, io no soa iombonana tapitrohatra. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Famaliana ny didim-pitiavan'i Kristy ny ezaka rehetra hikatsahana ny soa ho an'ny daholobe. "Didy vaovao no omeko anareo : mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo" Jn 13, 34. Ny fanorenana ny soa iombonana no hetahetan'ny Egilzy katôlika araka ny fampianarany momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy. Ny soa iombonana dia tsy misy lanjany raha tsy miompana amin'ny voaary manontolo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Manoloana ny halehibe sy ny fihazakazahan'ny fiovana ankehitriny dia entanin'ny Konsily ny olona tsirairay tsy hianina amin'ny hahasoa ny tenany samirery. Tsy maintsy mifanao soa ny tany ama-monina. Tsy misy mahavita tena ka ilaina ny fifanampiana sy fifanohanana amin'ny samy mpiara-monina hikatsahana ny soa iombonana. Ny fikatsahana ny soa ho an'ny tena samirery dia fitiavan-tena. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Mitarika fibebahana ny fandraisan'ny rehetra anjara amin'ny fampiasana ny soa iombonana, manova ny lalam-pitondran-tenan'ny tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo. Miady ary mamongotra hatramin'ny fakany ny fitaka sy ny hafetsifetsena izay fahavalon'ny fiaraha-monina sy ny soa iombonana noho izy ireny tsy mifanaraka amin'ny rariny. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco