Hoy ny Papa François : "Eny fa na ao amin'ny Eglizy aza, dia tena ilaina tokoa ny fihainoana sy ny fifampihainoana, izany no fanomezana maimaimpoana sy sarobidy indrindra azontsika ifanolorana". Avy amin'ny fahaiza-mihaino am-pitandremana no teraka ny "fandraisam-pitenenana mendrika". Tena ilaina ny fomba fifaneraserana mandona ny fo toy ny diloilo manasitrana. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny fepetra momba ny fitiavana no mampatsiahy antsika amin'ny alalan'ireo toe-piainana nasehon'i Md François sy ny asa sorany fa ny maha-isika antsika dia ny seraserantsika. Md François dia nanapariaka ireo asa sorany tamin'ireo kristiana niadidiany, izany fahaizana nananany sy talenta voajanahary amin'ny "asa fanaovan-gazety" izany no nampalaza azy. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Anisan'ny Olomasina tena mahaliana an'i Papa François tokoa raha i Md François de Sales, Mpampianatry ny Eglizy. Nanoratany taratasy apôstôlika mihitsy aza moa ny fahatsiarovana ny faha-400 taona nahafatesan'io Olomasina iray io nomeny ny lohateny hoe "Totum amoris est". I Md François de la Sales no nosafidian'ny Eglizy ho mpiaro ny mpanao gazety katôlika. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Indraindray ny lahateny mamy dia mandrehitra indray ny afo mitsilopy ao am-pon'ireo izay tena mafy fo. Tena ilaina amin'ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisn'ny mpiara-belona ny "miteny amin'ny fo" sy amim-pahalemam-panahy. Ezaka ny hanampiana ny olona hahay handinika tsara anatin'ny fitoniana sy hahay hamakafaka ny zava-misy. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco