An'Andrimanitra ny aina koa tsy misy afaka manesotra izany. Ny fankahalana dia endrika famonoana. Irin'Andriamanitra ny hananan'ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo fiadanam-po. Noho izany indrindra no hiampangan'i Jesoa ny faharatsian'ny fahatezerana mahaty sy ny fankahalana izay samy tsy mitondra makany amin'ny fandriam-pahalemana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Ny tanjon'ny soa iombonana dia fandrosoan'ny fiaraha-monina, ; tsy ho tratra anefa izany raha tsy misy ny fiaraha-monina milamina sy mirindra. Ny fandriam-pahalemana dia tsy zavatra azo indray mandeha dia izay, fa zavatra tsy maintsy aorina lalandava, mila faharetana, iarahan'ny daholobe mikatsaka. Fandriam-pahalemana : fitandroana fananan'olona, fihavanan'ny olona rehetra. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Ny fiaviana ara-poko izay manavaka ny vondron'olona samihafa dia tafiditra ao anatin'ny sehatry ny soa iombonana, nefa tsy ampy amin'ny famaritana azy manontolo. Io soa iombonana io dia tsy azo faritana ara-poto-pampianarana amin'ny lafiny manan-danja sy lalina indrindra, ary tsy azo faritana ara-tantara raha tsy miresaka momba ny olombelona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Avy amin'Andriamanitra ny fahefana takian'ny lamina ara-môraly ka tokony hikatsaka mandrakariva ny soa iombonana. koa raha sendra manao lalàna na mandray fepetra mifanohitra amin'izany lamina ara-pitondratena izany ny mpitondra ary tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy afaka mamatotra ny feon'ny fieritreretana ireo fepetra ireo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...