Manoloana ny fiovana, ny Konsily dia miantso ny Fiangonana mba ho mailo sy manam-pahendrena ka handinika lalina ny zava-misy vaovao anefa tsy handao ny Evanjely. Tsy tokony hatahotra ny fiovana ny Fiangonana fa kosa hanavaka izay manaja ny maha-olona sy izay mety hanimba azy. I Kristy ihany no ahitana ny fototra mafy orina afaka mitarika any amin'ny fiovana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Ao anatin'ny Gaudium et Spes n°4 dia mandinika ny toe-javatra iainan'ny olombelona amin'ny tontolo ankehitriny, izay voamariky ny fandrosoana lehibe nefa koa anaty fikorontanana sy tebiteby lalina, ny Eglizy. I Kristy no fanantenana marina afaka mandresy ny tebiteby lalina indrindra ao am-pon'ny olona. Ao Aminy no ahitàn'ny olombelona ny valin'ny fanontaniana fototra momba ny ho avy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Ny Fiangonana dia mahita fa tsy afaka misaraka ny famonjena ara-panahy sy ny fandrosoana maha-olona. Ny Fiangonana dia maniry ny hanampy ny olombelona hahalala ny fahamarinana momba ny tenany sy ny fiainany, hiaro ny hasin'ny maha-olona, hiady amin'ny tsy rariny,ny fanandevozana ary ny fanilikilihana, hanangana fiaraha-monina mifototra amin'ny rariny sy ny fitiavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
Ny Gaudium et Spes n°2 dia manambara fa ny Fiangonana dia manana iraka mazava : mitory an'i Kristy amin'ny olombelona rehetra, amin'ny fomba mifanaraka amin'ny zava-misy iainan'ny tontolo maoderina. Tsy midika izany fa manilika ny kolontsaina na ny fandrosoan'ny Fiangonana fa maniry ny hifampiresaka amin'ny siansa sy ny kolontsaina, hanaja ny fahafahan'ny olona misaina... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco