Ny maha Diakra dia ambaratonga zandriny indrindra amin'ny fandraharahana ao amin'ny Eglizy. Araka ny voasoritra ao amin'ny boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly, ireo Apôstôly dia nanokana ny Diakra hanao ny raharaha fanompoana ao amin'ny Eglizy ary mazava tsara ny andraikitr'izy ireto tamin'izany dia ny fanompoana eo amin'ny litorjia, fizarana ny fanampiana ho an'ny mahantra... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Manamasina sy mizaka ny ampahan'ny andian'ondrin'ny Tompo nankinina aminy ny pretra eo ambany fifehezan'ny Eveka. Mikatsaka sy mitsinjo mandrakariva ny hahasoa ny vahoakan'Andriamanitra miaraka amin'ny Eveka ka tsy tokony hiraviravy tanana na hiroro fo sy saina eo amin'ny Diôsezy misy azy amin'izany fikatsahana ny soa ho an'ny andian'ondriny nankinina taminy izany... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Mampita ny fampihavanana sy ny fanamaivanana ny kristianina ny : ireo Kristianina manenina amin'ny fahotany ka mahatsapa fa marary azy izany ka manana faniriana hihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Sakramentan'ny fampihavanana noho ny fahefana tena feno omena azy ireo. Tsy irery velively ny Eveka fa eo mandrakariva ny pretra miombona aminy... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Fandraharahana ao amin'ny Eglizy ny maha pretra ; fandraharahana najoron'Andriamanitra ka mahatontosa ny ambaratonga samihafa. Ambaratonga tsy mitovy amin'ny eveka ny pretra fa eo ambaniny nanankinana fahatokisana amin'ny lafiny maro : fampianarana, fanamasinana, fitantanana, fitsinjarana ny fanompoana. Ny Pretra dia Mpisorona... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...