Ny soratra ara-panjakàna no fomba ofisialy ary dingana manaraka ny vodiondry tsy maintsy hataon'ireo miroso amin'ny Sakramentan'ny fanambadiana. Olana tsy havitan'ny fisoratam-panambadiana ny fahasarotan'ny fangalana na fitadiavana ireo antontataratasy ilaina amin'izany. Eo koa metetika vao miseho ireo tsy fahatomombanana mikasika ny fiankohonana nataon'ireo ray aman-dreny. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny vodiondry, dia ilay fanambadiana araka ny fomba Malagasy. Maro ireo mihevitra fa rehefa vita ny vodiondry dia foana ny sakatsakana tsy ahafahana miray trano. Misy ireo azo adika hoe mihatsara-velatsihy satria efa mitondra vohoka ny vavy dia ezahana atao haingana ny vodiondry. Ny fahavitan'ity dingana faharoa ity dia tsy mbola midika hoe efa afaka miray trano ny mpivady. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny dingana arahina amin'ny fiomanana handray ny Sakramentan'ny mariazy : ny voalohany, ny fisehoana izany hoe ny fampahafantarana ny ray aman-dreny roa tonta ny fiffankatiavana misy eo amin'ireo mikasa hivady ; faharoa, ny vodiondry, izany hoe ilay fanambadiana araka ny fomba Malagasy. Ny fahavitan'ity dingana faharoa ity dia tsy mbola midika hoe efa afaka miray trano ny mpivady. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

Ny antony mahatonga ny olona tsy hiroso amin'ny mariazy fa raha izay voafaritry ny Sakramenta dia ny olona rehetra miroso amin'ny fanambadiana ho an'ny mpino katôlika dia tokony handray ny sakramentan'ny mariazy avokoa, vao miray trano. Ny antony : misy avy amin'ireo mpivady mivantana, misy koa ireo avy amin'ny finoana, misy koa anefa tsy faharesen-dahatra tsotra izao. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...