Afaka mianatra ny fanetre-tena amin'i Masina Maria ihany koa ny mpianakavy. Nasehony nandritra ny fampakaram-bady tao Kanà, fa ny fikatsahana soa ho an'ny hafa, fa tsy ho an'ny tena fotsiny no atao hoe fanetre-tena. Afaka mianatra  fanetre-tena  amin'ny alalan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ihany koa isika : fanomezana toerana bebekokoa ny hafa eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

Matetika mitarika ratra anaty ho an'olona mandrafitra ny fianakaviana ny fahatsapana fa voailikiliky ny ray aman-dreny na mpiray tampo aminy ny olona iray teo amin'ny fahazazany. Zava-dehibe ny fahaizana mifandray araka ny toetran'ny tsirairay avy, apetraka ho tombony ny fahasamihafan'ny toetra. Mila mitandrina isika amin'ny toetra sasatsasany. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

Tsy vitan'ny hoe mangataka amin'Andriamanitra mba hanana "hatsaram-panahy maha bitika" isika fa mila miditra amin'ny sekolin'i Jesoa Kristy, Ilay malemy fanahy sy manetri-tena ao am-po mba hianatra ny halemem-panahiny. Ny fitiavana dia miseho amin'ny alalan'ny fahafoizan-tena, fahafoizana fotoana. Mila malemy fanahy tahaka an'i Jesoa Kristy isika amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fifanampiana. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

Matahotra ny olona tia manambony tena. Matahotra ny vavan'olona manodidina azy izy ; matahotra ny hihoaran'ny hafa. Zava-dehibe ny fikatsahana ny hanana ilay hatsaram-panahy maha bitika satria avy amin'Andriamanitra izany. Zava-dehibe ny mangataka amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka mba hanomezany antsika io hatsaraham-panahy io. Katesizy momba ny hatsaram-panahy maha-bitika, iarahana amin'i P. Solonomenjanahary Hermann.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...