Rehefa nandray ny filazan'ny Anjely i Masina Maria dia nandeha nizara izany tamin'i Elizabeta rahavaviny. Nifaly tamin'Andriamanitra mpamonjy azy izy fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Vavaka fisaorana an'Andriamanitra, tsotra ary feno fanetrentena lalina, feno fiontanam-po sy aingam-panahy no nataony. Mahita ny fahasahiranantsika i Masina Maria ary manampy antsika amim-bavaka... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...