Tany am-piandohana i Masina Maria dia reny niteraka, reny nikolokolo, reny niahy an'i Jesoa fa taty aoriana dia toa mpianatra izy. Ny Eglizy Tatsinanana dia matetika maneho an'i Maria ho ilay Mpanoro lalana. Ny tanany, ny masony, ny fihetsiny sy ny fiainany manontolo dia katesizy velona satria mandrakariva izy dia manoro sy manondro an'i Jesoa... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...