Raha vao miteny ho “Epifania” na fisehoan’ny Tompo ao anatin’ny vanim-potoanan’ny Noely dia ireo Majy na ireo mpanjaka telo notarihin’ny kintana no tonga ao an-tsaina avy hatrany. Araka io voalaza teo aloha dia ny daty manodidina ny 06 Janoary no ahatsiarovana izany fotoana lehibe namangian’izy ireo an’ity zaza vao teraka ity izany.Arahantsika ny Katesizy miaraka amin'i P. Justolat E. Rafaralahimboa

0 : 00

Ny Evanjelin’i Matio (2, 1 – 12) ihany no mitantara ny fahatongavan’ny Majy avy any atsinanana notarihin’ny kintana ho any Betlehema ity. Tonga izy ireo mba hiankohoka sy hitsaoka ity mpanjakan’ny Jody vao teraka ity: i Jesoa zazakely izany; ary hanolotra fanomezana ho azy dia volamena sy emboka ary mira. Ny Evanjelin’i Matio dia nosoratana ho an’ny Jody-kristianina izay anisan’ny nenjehin’ny jody fatratra ka amin’ny ankapobeany dia mamaritra mazava ny mpanoratra fa i Jesoa no Mesia satria efa voamariana ary voafaritra any amin’ny faminanian’i Izaia izany (60, 3 – 6): “Mandroso ho amin’ny fahazavanao ny firenena, ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka. Atopazo manodidina ny masoanao, ka jereo, izy rehetra mivory makaty aminao; ny zanakao lahy tamy avy lavitra; ny zanakao vavy entina an-trotroana. Hahita izany hianao amin’izay ka ho miramirana; hibitaka sy hiravoravo ny fonao, fa hivantana any aminao ny haren’ny ranomasina; ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena. Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany mbamin-drameva avy any Madiana sy Efah hianao; ny any Saba rehetra ho avy, hitondra volamena sy emboka manitra, ary hitory ny fiderana an’ny Tompo”.

Mbola mifanandrify amin’izany ihany koa ny voalazan’ny salamo faha-72 izay milazalaza momba ny mpanjaka faka tahaka: “Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an’efitra; ary ho lavo amin’ny tany ny fahavalony. Handoa hetra ny mpanjakan’i Tarsisa sy ny nosy; hanolotra fanatitra ny mpanjakan’i Saba sy Meroe; hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra, hanaiky azy ny firenena rehetra” (Sal 72, 9 – 11).

Tamin’ny alalan’ireo an-dalan-tSoratra Masina ireo no nandrafetana taty aoriana ny tantara mahakasika ireto Majy mpanjaka ireto ary ny evanjely apokrifa no teny mitantara betsaka momba azy. Nolazaina aloha tamin’izany fa avy any Perse izy ireo, mpandinika ny tontolon’ny habakabaka ka izany no nahitany ny kintana nisongadina ka narahany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...