Tsy manome anjara toerana ny zokiolona intsony ny kolo-tsaina ankehitriny. Mbola mandrafitra ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina anefa izy ireny. Asongadin'ny Papa François amin'ny katesizy momba ny fianakaviana izany. Tohin'ny fandalinana iarahana amin'ny P. Justolat Rafaralahimboa:

0 : 00

Rehefa avy nanompana ny fijerintsika kristianina ny olona rehetra toy ny rahalahy sy anabavy ny Papa François dia miantso antsika indray hibanjina manokana ireo zokiolona isan-karazany? Iza avy moa izany zokiolona izany? Mbola anisan’ny mandrafitra ny fianakaviana ireo zokiolona ireo dia ireto avy izy ireo: ireo ray aman-dreny be (dadabe sy bebe), ry dadatoa sy nenitoa.

Ankehitriny hoy ny Papa dia anisan’ny miatrika olana koa ireny zokiolona ireny raha ny zava-misy any amin’ny fiaraha-monina any no jerena. Any amin’ny tany mandroso dia mba misy ihany ireo toerana voatokana hiahiana ireo zokiolona ireo fa ny any amin’ny tany mahantra na sahirana toa antsika dia any anivontsika any ihany izy no mitoetra nefa mazana dia toa voahilikilika na tsy dia rarahina loatra ny momba azy ireo. Anisan’ny ray aman-dreny mila ny fanajana avy amintsika sy ny fanohanana avy amintsika ireny zokiolona ireny satria ray aman-dreny nipoirana ireo. Manamafy ny fankatoavantsika sy ny fiainantsika ny didin’Andriamanitra faha efatra ny fanajantsika ireo zokiolona ireo (jereo Ekleziastika 3, 12 – 14).

Vokatry ny fandrosoan’ny fikarohana ara-pitsaboana ataon’ny zanak’olombelona dia miha lava ny andro iainana indrindra any amin’ny tany mandroso araka ny efa voalaza etsy ambony fa ny aty amin’ny tany mahantra dia toa tsy misy fiovany: raha ny taham-pavelomana dia efa manodidina ny 80 – 100 taona ny any amin-dry zareo raha toa ka manodidina ny 60 – 80 taona ny aty amintsika. Ny fiaraha-monina anefa hoy ny Ray masina dia tsy mivelatra manaraka izany fandrosoan’ny fanalavana ny andro iainana izany fa toa mihemotra aza.  Miha mitombo isa tokoa ireo be antitra sy zokiolona ireo fa ny fiaraha-monina misy antsika tsy dia manao na manana sampana fiahiana azy ireo manokana loatra. Tsy dia manome anjara toerana azy ireo loatra ny fiaraha-monina misy antsika ankehitriny na dia ho fanehoana fanajana sy fanehoana ny fisian’izy ireo fotsiny aza noho izy ireo efa marefo nefa dia manana ny fahamendrehana sahaza azy izy ireo. Raha mbola tanora isika dia toa tsy ao an-tsaintsika velively izany hijery manokana ireny zokiolona efa antitra ireny indrindra moa ka raha hoe tsy tafaraka miara-mitoetra amitsika izy ireo fa misy elanelan-toerana. Raha sendra misy aretina mahazo azy ireo no tena ahatsapana azy ireo ho irery ary tsy raharahintsika loatra. Ny zavatra tsapa manko dia ireo zokiolona na antitra mahantra no tena mampalaelo satria tena irery tanteraka ary tsy dia rarahintsika loatra, eny fa na dia tsy salama loatra aza izy ireo fa raha mpanankarena kosa ireo zokiolona ireo dia tsy afaky ny tsy hoe tsy rarahina satria misy tombontsoa azo avy amin’ny fananany harena. Izay ilay fomba fitenintsika mazana hoe “Havana raha misy patsa”.

Katesizy momba ny fianakaviana, nataon'ny Papa François ny 04 mars 2015

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 febroary 2024

♦ Nanentana ireo tanora mandranto fianarana eny amin'ny Anjerimanontolo ny Arsevekan'Antsiranana, nandritra ny fitsidihany ny Aomôneria Katôlikan'ny Oniversiten'Antsiranana omaly, fa voafetra ny lôjikan'izao tontolo izao... ♦ Nanatanteraka fihaonambe ny Garde d'Honneur-n'ny Fo Masin'i Jesoa, tao amin'ny Diôsezin'i Toamasiana, nanomboka ny 23 hatramin'ny 25 febroary 2024... ♦ Ezahana ho tanterahana isan-taona ny hetsika fambolen-kazo, ho an'ny Kôlejy Masina Misely Itaosy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...