Alakamisy 13 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

Tonga hamerina antsika amin'ny hasina maha isika antsika ny Zanak'Andriamanitra : hampihavana antsika amin'Andriamanitra Mpahary antsika ; simba noho ny fahotana nisy teo amin'ny tantaram-piainantsika olombelona io hasina maha isika antsika io, antony niandrasantsika Mpamonjy ary nanehoan'Andriamanitra ny maha fitiavana azy. Tsy nitsaha-nitempo fitiavana antsika olombelona na dia nisy aza ny fahotana sy ny asan'ny ratsy ; io no ambaran'ny fanasitranana an'ity boka iray nataon'i Kristy. Tsy mba afaka hiara-monina amin'ny maro ny olona tratran'ny habokana, tsy mba afaka hisitraka ny tena fahafahana marina ary tapaka rohim-pihavanana amin'Andriamanitra.

Io habokana io anefa tsy inona fa ireo karazana haratsiana, ireo fahotana mandifotra antsika olombelna ka mahatonga antsika hiolonolona, ho tia tena sy tsy hiraharaha ny hafa, ary hanala an'Andriamanitra tsy hahazo toerana ao am-po sy eo amin'ny fiainana, izay hibaiko ny ataontsika, hanitsy sy hanazava ny konsiansintsika. Ento eo amin'i Jesoa izany mba hositraniny, hafahany, hisandratan'ny maha isika antsika fa mpanalalana antsika ao amin'Andriamanitra izy, sady mahalala ny rofy mpanjo antsika. Tsarovy fa raha aretina no tsy tsaboina dia mitondra any amin'ny fahafatesana, ary raha ny ratsy no tsy hibebahana dia mitondra antsika any amin'ny fahaverezana mandrakizay.

Ao amin'ny Eglizy mamondrona antsika rehetra no sehatra hamerenan'Andriamanitra antsika voalohany amin'izao andro diavintsika izao, fa ao no misy ny pretra, nomena fahefana hamela ny fahotantsika, hihavanantsika amin'Andriamanitra sy amin'ny namana, ary manoro dia antsika hitandrovantsika ny hasina maha isika antsika tsy ho simban'ny fahotana. Aoka isika tsy handao ny Eglizy ary handray am-pinoana ny sakramenta tantanany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...