Sabotsy 22 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 20-21

Rehefa avy nanasitrana olona maro sy nandroaka ny fanahy maloto i Jesoa, dia betsaka ireo nanaraka Azy hatraiza hatraiza. Hany ka na ny toerana na ny fotoana hihinanany ary dia tsy misy. Midika izany fa nataony ambonin’ny zavatra rehetra ny asa izay nanirahan’ny Ray Azy. Tsy nitandro hasasarana Izy mba hanatanteraka izany, satria tiany ho voavonjy ireto vahoaka ireto. Tsara ny manamarika fa tsy ny vatana ihany no sitraniny rehefa manasitrana Izy fa indrindra ihany koa ny fanahy. Amin’izay mantsy, dia ny maha olona rehetra mihitsy no sitrana.

Manoloana izany dia lasa nanohitra Azy ireo havany ka nihevitra an’i Jesoa ho very saina. Tian’izy ireo mantsy izy mba hitsahatra amin’ireo asa fanirahana izay nataony. Ny fihevitr’Andriamanitra tokoa tsy fihevitr’olombelona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...