Alarobia 23 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 37-39

Mety hanjo antsika ny fahadisoan-kevitra momba ny fiarovana ny finoana. Na koa rehefa misy olona maniry hiray finoana na hiray fikambanana amintsika dia ny fitsipika sy ny fepetra no arangaranga hoe izao no ato, izao no fepetra, izao no tsy maintsy atao na izao no tsy azo atao. Aoka ny fahasoavan’ny finoana no hialoha lalana ny fepetra… Ny hoe miaro ny finoana manko tsy midika hoe mamefy sy miaro tsy hidiran’iza na iza fa kosa mitandro sy mampita ny marina momba ny Evanjely sy mampianatra ny olona araka izany.

Araka ny lalànan’ny fahatongavana ho nofo dia miasa amin’ny fomba maro samihafa Andriamanitra ; miara-miasa amin’ny olona samihafa ary mamonjy ny olombelona amin’ny fomba maro samihafa Andriamanitra. Noho izany, rehefa i Kristy no torina, rehefa Andriamanitra no tompoina ary rehefa mety ho famonjena ny olombelona dia sitrak’Andriamanitra. Izany no manamarina ilay hoe harena ny fahasamihafana.

Ekena tokoa fa misy mampiasa ny fivavahana hikatsahana tombon-tsoa manokana ka mila avahana tsara ; ny asany no anavahana azy. Tsy azo atao ampihi-mamba ny fanomezam-pahasoavana, fa araka ny fampianaran’i Masindahy Paoly hoe : maro samihafa ny fanompoana fa ny Tompo iray ihany. Maro samihafa ny fanomezana nefa iray ihany ny Fanahy ; maro samihafa ny asa ny Andriamanitra iray ihany. Amin’izay dia ho harena tokoa ny fahasamihafana. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...